bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 29
Job 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 30 →
1
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany i Joba hoe:
2
E! Raha izao moa aho no tahaka ny tamin’ireny volana lasa ireny! Dia tahaka ny tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy!
3
Fony mbola nazava teo ambonin’ny lohako ny jirony ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ny maizina!
4
Eny, tahaka ny toetrako fony mbola fararanoko, raha niseho teo ambonin’ny tranolaiko ny fisakaizan’Andriamanitra;
5
fony mbola nomba ahy ny Tsitoha ary nanodidina ahy ny zanako;
6
fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ny rononomandry aho ary namoaka reniranon’ny diloilo ho ahy ny vatolampy!
7
Raha niainga niakatra ho eo amin’ny vavahadin’ny tanàna aho ka nametraka ny akalako teo an-kianja
8
dia nahita ahy ny zatovo ka niafinafina ary nitsangana ny fotsy volo dia naharitra nijoro;
9
nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10
tsy sahy niteny ny mpanapaka ary ny lelany dia niraikitra tamin’ny lanilaniny.
11
Izay sofina nandre dia niteny ahy hoe sambatra ary izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy
12
satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13
Ny fisaoran’izay efa ho faty dia tonga tamiko ary ny fon’ny mpitondratena dia nampifaliko.
14
Nitafy fahamarinana aho ka mba nitafy ahy kosa izy. Eny, tahaka ny akanjobe sy fehiloha ny rariny izay nananako.
15
Tamin’izay aho dia maso ho an’ny jamba ary tongotra ho an’ny mandringa;
16
ray ho an’ny malahelo aho ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza dia nohadihadiako.
17
Namotika ny nifin’ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany.
18
Dia hoy aho: Eo amin’ny akaniko ihany no hialako aina ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19
Hamahatra eo amin’ny rano aho ary ny ando dia hitoetra amin’ny sampako mandritra ny alina.
20
Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro ary ny tsipìkako dia hihahenjana eny an-tanako.
21
Nihaino ahy ny olona dia niandry ka nangina tamin’ny fanolorako saina izy.
22
Rehefa niteny aho dia tsy mba namaly intsony izy ary nitetevan’ny teniko izy.
23
Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny faraorana.
24
Raha nitsiky taminy aho dia tsy sahy nino izy ary tsy nisy navelany ho very ny hazavana tamin’ny tarehiko.
25
Nifidy ny lalana halehany aho ka nipetraka ho mpitarika azy; eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42