bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 6
Job 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 7 →
1
Dia namaly i Joba hoe:
2
Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako ka hampifandanjaina amin’ny mizana izy sy ny fahoriako!
3
Fa ankehitriny dia mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako ka nirediredy aho.
4
Fa ny zana-tsipìkan’ny Tsitoha no mitsatoka amiko ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko ary ny fampitahoran’Andriamanitra dia milahatra hamely ahy.
5
Maneno va ny borikidia raha eo amin’ny vilona? Na mimamà va ny omby raha eo amin’ny vilona fihinany?
6
Azo hanina va ny matsatso raha tsy asian-tsira? Mba misy tsirony va ny tapotsin’atody?
7
Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko na dia maharikoriko ahy aza!
8
Enga anie ka ho azoko izay angatahiko ary homen’Andriamanitra ahy anie izay iriko!
9
Ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy; eny, halefany anie ny tanany ka hanapitra ny aiko!
10
Dia hahita fiononana amin’izany aho ka hibitaka noho ny hafaliana na dia amin’ny fangirifiriana tsy mifaditra ovana aza satria tsy nandà ny tenin’ny Iray Masina aho.
11
Inona moa ny heriko no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny hiafarako no hanindry fo aho?
12
Herim-bato va ny heriko? Varahina va ny nofoko?
13
Tsy efa foana va ny hery hoentiko mamonjy tena ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
14
Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ny sakaizany, fandrao hahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
15
Namadika ahy tahaka ny ranotrambo ny rahalahiko, tahaka ny masondrano any an-dohasahan-driaka izay malaky ritra,
16
izay mivalomainty azon’ny ranomandry sady iafenan’ny orampanala,
17
fa raha taninin’ny hainandro izy dia levona; raha maina ny andro dia ritra eo amin’ny fitoerany izy.
18
Mivily lalana ny andian’ireo mpivarotra mandehandeha; miroso ho any an-tany foana izy ka very any.
19
Mitazana azy ny andian’i Tema, manantena azy ny tarik’i Sheba;
20
diso fanantenana ireo; tonga teo izy kanjo nangaihay.
21
Fa ankehitriny, ianareo koa dia tsinontsinona; mahita ny loza manjo ianareo ka raiki-tahotra!
22
Moa va efa niteny aho hoe: Omeo aho ka mahafoiza zavatra ho ahy avy amin’ny fanananareo?
23
Ary vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalo aho ka afaho amin’ny tanan’ny mpampihorohoro?
24
Mampianara ahy dia hangina aho ary ampahafantaro ahy izay nahadiso ahy.
25
Endre, ny herin’ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
26
Teny ihany va no heverinareo hokianina, dia tenin’ny olona mamoy fo izay entin’ny rivotra?
27
Eny, fa na dia ny kamboty aza dia anaovanareo filokana ary ny sakaizanareo dia amidinareo!
28
Fa ankehitriny, miangavy anareo, mba atreho kely aho! Dia ho hitanareo fa tsy mandainga aho tsy akory.
29
Miangavy anareo, diniho indray aho ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako!
30
Moa misy heloka va eo amin’ny lelako? Tsy mahay mamantatra izay ratsy va ny vavako?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42