bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 5
Job 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 6 →
1
Miantsoa ange! Moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ireo masina no hotodihinao?
2
Fa ny adala dia vonoin’ny fahasosorana ary ny kely saina dia matin’ny fialonana.
3
Izaho dia nahita olona adala mamaka, nefa vetivety indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho.
4
Aoka ho lavitra ny famonjena ny zanany ka ho torotoro eo am-bavahady nefa tsy misy mamonjy!
5
Aoka ny vokatry ny taniny ho lanin’ny mosarena; eny, halainy na dia voafefy tsilo aza! Ary aoka ny mangetaheta hitsiriritra ny fananany.
6
Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny alahelo ary tsy mitrebona avy amin’ny tany ny fahoriana,
7
nefa teraka ho amin’ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ny kilalaon’afo miakatra.
8
Fa raha izaho kosa dia hitady an’Andriamanitra aho ary Andriamanitra ihany no hametrahako ny raharahako.
9
Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy ary zava-mahagaga tsy hita isa;
10
mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ny tany Izy ary mampandeha rano eny amin’ny saha;
11
apetrany amin’ny avo izay ambany ary ny misaona no asandrany ho amin’ny famonjena.
12
Izy no mandrava ny hevitry ny fetsy ka tsy mahefa na inona na inona ny tanan’ireny;
13
ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ny mpiolakolaka dia rava;
14
na dia amin’ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ny maizina ireny ka miraparapa amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny alina,
15
fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ny sabatry ny vavany; eny, vonjeny tsy ho azon’ny tanan’ny mahery izy.
16
Dia misy fanantenana ho an’ny reraka, fa ny faharatsiana kosa dia mihombom-bava.
17
Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra! Koa aza atao tsinontsinona ny famaizan’ny Tsitoha!
18
Fa sady mandratra Izy no mamehy; manorotoro Izy ary ny tanany ihany no manasitrana.
19
Amin’ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; eny, amin’ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20
Raha avy ny mosary dia hiaro anao amin’ny fahafatesana Izy ary raha avy ny ady dia hiaro anao tsy ho voan’ny sabatra Izy;
21
afeniny tsy ho voan’ny kapo-bava ianao ary tsy hatahotra ianao raha avy ny fandringanana;
22
ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao ary tsy hatahoranao ny bibidia;
23
fa vita fanekena amin’ny vato any an-tsaha aza ianao ary ny bibidia dia hihavana aminao.
24
Ho hitanao fa ny fiadanana no tranolainao, ary raha mizaha ny kijananao ianao dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao.
25
Ho hitanao koa fa maro ny zanakao ary ny naterakao dia ho tahaka ny ahitra amin’ny tany.
26
Mbola feno tanjaka ianao no hiditra any am-pasana, tahaka ny famoriana ny amboaram-bary amin’ny fotoanany.
27
Izany ary no izy fa efa nandinika azy izahay! Hevero ary izany ka fantaro tsara!
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42