bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 22
Job 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 23 →
1
Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita hoe:
2
Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona, nefa ny olon-kendry aza dia tsy mahasoa afa-tsy ny tenany ihany?
3
Mampaninona ny Tsitoha moa raha marina ianao sa misy tombony ho Azy raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4
Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao sy ifanatrehany aminao amin’ny fitsarana?
5
Tsy be va ny faharatsianao sady tsy hita isa ny helokao?
6
Fa efa naka antoka tsy amin’antony tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ny mahantra.
7
Tsy nanome rano hosotroin’ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ny noana.
8
Fa ny olona be sandry ihany no nanana ny tany; ary ny manankaja ihany no nitoetra teo.
9
Efa nampialainao maina ny mpitondratena ary notapahina ny sandrin’ny kamboty.
10
Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao ary misy zava-mahatahotra mampihorohoro anao tampoka.
11
Moa tsy hitanao va ny haizina sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny haavon’ny kintana, endre ny haavony!
13
Nefa hoy ianao: Ataon’Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara any ankoatra ny rahona maizina va Izy?
14
Manakona Azy ny rahona matevina ka tsy mahita Izy; mandehandeha eny amin’ny lanitra Izy.
15
Moa hizotra amin’ny lalana izay nalehan’ny olona fahagola va ianao, dia ilay nalehan’ny olona ratsy fanahy?
16
Nesorina alohan’ny androny izy ireny ka nindaosin’ny riaka ny fanorenany,
17
dia ireo izay niteny tamin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ny Tsitoha atao ho anay?
18
Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony. Lavitra ahy ny fisainan’ny ratsy fanahy!
19
Mahita ny marina ka mifaly ary ny tsy manan-tsiny dia mihomehy ireny hoe:
20
Marina tokoa fa rava ny fahavalontsika ary ny harenany betsaka dia levon’ny afo.
21
Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana; izany no hahatafaverina ny fahasambarana aminao.
22
Miangavy anao aho, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23
Raha miverina amin’ny Tsitoha ianao dia ho tafaorina indray; eny, raha ampanalavirinao ny tranolainao ny heloka.
24
Ario eny amin’ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25
fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao; ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
26
Fa amin’izany dia hiravoravo amin’ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’Andriamanitra.
27
Raha mifona Aminy ianao dia hihaino anao Izy ary hanefa ny voadinao ianao.
28
Ary raha misy kasainao hatao dia hotanterahina aminao ary hamirapiratra amin’ny lalanao ny mazava.
29
Raha misy mietry dia hataonao hoe: Misandrata! Fa ny manetry tena no hovonjeny.
30
Hanafaka na dia ny olona meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan’ny tananao no hamonjena azy.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42