bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 39
Job 39
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 40 →
1
Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osidia any amin’ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ny dieravavy?
2
Mahisa ny volana itondrany vohoka va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
3
Miondrika izy ka teraka sady afaka ny farariany.
4
Donga ny zanany, mihalehibe eny an-tampon-tanety eny; lasa mandeha izy ka tsy miverina eo aminy intsony.
5
Iza moa no namela ny borikidia hikarenjy? Ary iza no efa namaha ny fatoran’ny borikidia
6
izay nomeko ny tany ngazana ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
7
Ihomehezany ny tabataba ao an-tanàna; tsy ahoany akory ny antsoantson’ny mpandroaka boriky.
8
Mikarenjy any an-tendrombohitra rehetra any izy mitady ny kijanany ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
9
Mba mety manompo anao va ny ombimanga, na handry ao am-pahitrao amin’ny alina?
10
Mahafatotra ny ombimanga amin’ny mahazaka ho ao am-bavaasanao va ianao? Na, mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
11
Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
12
Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy ary hanangona izany ho eo am-pamoloananao?
13
Mikopakopaka noho ny hafaliana ny elatry ny aotirisy, nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
14
Ilaozany anaty tany ny atodiny ka avelany hafanain’ny vovoka
15
Tsy ahiny ny ho voaporitry ny tongotra ireo na ho voahitsaky ny bibidia.
16
Mafy ny fitondrany ny zanany fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; tsy ahoany akory na dia mila ho very foana aza izay nisasarany.
17
Fa nesorin’Andriamanitra taminy ny fahendrena ary tsy nomeny anjara fahalalana izy.
18
Raha mikopakopaka elatra toa hanidina izy dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19
Moa manome hery ny soavaly va ianao na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
20
Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ny fiefonefony!
21
Mihehy ao amin’ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; mandroso hanetra ny ady izy.
22
Ihomehezany ny tahotra ary tsy mivadi-po izy sady tsy mianotra manoloana ny sabatra.
23
Mikitrakitrana eny amboniny ny tranon-jana-tsipìka sy ny lefona mitselatselatra ary ny lefom-pohy.
24
Miriotra mafy amin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony rehefa maneno ny anjomara.
25
Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy hoe Hia! Manimbolo ny ady izy raha mbola lavitra, dia ny antsoantson’ny manamboninahitra sy ny akoralava mihantsy ady.
26
Ny fahendrenao va no mampisidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
27
Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28
Eny amin’ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia any an-tendron’ny harambato izay mandany mafy.
29
Avy any no itiliany ny remby; mahatsinjo lavitra ny masony.
30
Mitsentsitra ra ny zanany ary izay itoeran’ny faty dia any izy.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42