bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 7
Job 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 8 →
1
Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etỳ ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny?
2
Toy ny mpanompo maniry alokaloka ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ny asany,
3
dia toy izany no nanaovana ny volana mampahory ho lovako ary ny alina mahadisadisa ho anjarako.
4
Raha vao mandry aho dia mieritreritra hoe: Rahoviana re aho no hifoha? Fa mihalava ny alina ary tsy mitsahatra mivadibadika aho mandra-pahazava ny andro.
5
Ny nofoko dia mitafy olitra sy takompery toy ny baingan-tany; tonga vakivaky ny hoditro sady mitsiranorano.
6
Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana!
7
Tsarovy fa tso-drivotra ny aiko! Tsy hahita soa intsony ny masoko.
8
Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy. Hizaha ahy ny masonao nefa tsy ho eo aho.
9
Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny fitoeran’ny maty, dia tsy mba hiakatra intsony;
10
tsy hiverina any an-tranony intsony izy ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
11
Ary izaho dia tsy hamehy vava fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny foko.
12
Ranomasina va aho sa trozona no dia asianao fiambenana?
13
Raha hoy aho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandrianako,
14
dia mampitahotra ahy amin’ny nofy Ianao ary mampihorohoro ahy amin’ny fahitana.
15
Koa aleoko hokendaina; eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izao taolako mitrakitraky izao!
16
Maharikoriko ahy izao! Tsy ho ela velona aho! Avelao amin’izao aho fa fofona foana ny androko.
17
Inona moa ny zanak’olombelona no isahirananao ka ikarakaranao azy fatratra?
18
Sady vangianao isa-maraina izy no zahanao toetra isaky ny indray mipy maso?
19
Oviana re no hihodina tsy hijery ahy Ianao ka hiala amiko mba hahazoako mitelin-drora?
20
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho ka tonga enta-mavesatra amiko ny tenako?
21
Nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Ianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; hitady ahy fatratra Ianao nefa tsy hisy intsony aho.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42