bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 2
Job 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 3 →
1
Indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’NY TOMPO dia mba tonga teo koa i Satana tafaharo taminy, mba hiseho teo anatrehan’NY TOMPO.
2
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Ary namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny.
3
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy na dia nanesika Ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao.
4
Ary i Satana dia namaly NY TOMPO hoe: Hoditra fefin’ny hoditra! Eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.
5
Fa atsory ange ny tananao ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!
6
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana!
7
Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Satana ka namely vay ratsy an’i Joba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.
8
Dia naka tavim-bilany hihaorany izy sady nipetraka teo amin’ny lavenona.
9
Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty!
10
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala ny teninao! Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony i Joba.
11
Rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy, dia i Elifaza temanita, i Bildada sohita ary i Zofara namatita. Nifamotoana izy ireo mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
12
Ary nanopy ny masony teny lavidavitra teny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony ka nitomany; ary samy nandriatra ny akanjobeny avy koa izy rehetra dia nanipy vovoka ho amin’ny lanitra hiraraka amin’ny lohany.
13
Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany fito andro sy fito alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraimbava akory aza satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42