bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 33
Job 33
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 34 →
1
Kanefa, miangavy anao aho, ry Joba, mihainoa izay alahatro ary atongilano ny sofinao amin’ny teniko rehetra!
2
Indro, manoka-bava aho, miteny ato am-bavako ny lelako.
3
Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko ary ny fahalalan’ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
4
Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy.
5
Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao ka miatreha tsara.
6
Indro, eo anatrehan’Andriamanitra aho dia mitovy aminao; eny, izaho koa dia mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.
7
Indro, ny fampahatahorana avy amiko dia tsy hampahatahotra anao ary tsy hitambesatra aminao ny tanako.
8
Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao ary efa reko ihany ny feon’ny teninao hoe:
9
Madio tsy manam-pahadisoana aho ary tsy manan-tsiny aman-keloka.
10
E! Mahita izay hanatsiniana ahy foana Andriamanitra ary ataony fahavalony aho;
11
mampiditra ny tongotro ao amin’ny boloky hazo Izy ary mitsongo ny diako rehetra.
12
E! Izany no tsy mahamarina anao, hoy aho; fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona.
13
Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony?
14
Kanefa misy fomba iray itenenan’Andriamanitra; eny, fomba roa aza, nefa tsy tandrin’ny olona izany,
15
dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina. Raha sondrian-tory iny ny olona ka renoka eo am-pandriana
16
dia manokatra ny sofin’ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy
17
mba hampiala ny olona amin’ny fanaony sy hiaro azy amin’ny fireharehana.
18
Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy ary ny ainy mba tsy ho voan’ny fiadiana atoraka.
19
Anarina amin’ny fanaintainana eo am-pandrianany koa izy sy amin’ny fikotrankotran’ny taolany lalandava;
20
mankaloiloy azy ny hanina; eny, na ny hanim-py aza dia tsy tiany.
21
Mihena ny nofony ka tsy hita ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
22
dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny ary manatona ny mpaka aina ny ainy.
23
Raha misy anjely ho mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ny olona,
24
ary hamindra fo aminy ka niteny hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra aho,
25
dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony ary hody ho toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany izy;
26
hivavaka amin’Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny tavany amin’ny hafaliana, fa hampodiny amin’ny zanak’olombelona ny fahamarinany.
27
Dia hihira izy ka hilaza amin’ny olona hoe: Efa nanota aho fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
28
fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka ary mifaly ny aiko amin’ny fahitana ny mazava.
29
Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona; eny, intelo aza,
30
mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka mba hihazavany amin’ny fahazavan’ny velona.
31
Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy! Mangìna kely aloha ianao fa mbola hiteny aho!
32
Raha manan-kavaly ianao dia mamalia ahy ihany! Mitenena, fa ta hanamarina anao aho!
33
Fa raha tsy manan-kavaly ianao dia mihainoa ahy kosa! Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao!
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42