bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 41
Job 41
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 42 →
1
Indro, iza no sahisahy foana ka hikitika azy? Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
2
Tsy misy sahy manao vy very ny ainy hanaitra azy; koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
3
Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
4
Tsy mbola hangina Aho ny amin’ny rantsambatany sy ny heriny ary ny firafitry ny vatany.
5
Iza no mahasonga ny fitafiany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ny nifiny roa sosona?
6
Iza no mahasokatra ny varavaran’ny tavany? Mahatsiravina ny manodidina ny nifiny!
7
Reharehany ny faraoraon’ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ny tombo-kase ireo;
8
mikirindro ireo ka tsy azon’ny rivotra idirana eo anelanelany.
9
Mifanindry lany ireo sady mifampiditra ka tsy azo sarahina.
10
Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ny maraina.
11
Lelafo no mivoaka avy amin’ny vavany; kilalaon’afo no mipariaka avy aminy.
12
Ny vavorony dia ivoahan’ny setroka, tahaka ny avy amin’ny vilany mangotraka na amin’ny fahandroana.
13
Ny fofonainy dia mampirehitra arina ary misy lelafo mivoaka avy amin’ny vavany.
14
Ny vozony no itoeran’ny hery ary mibitaka eo anoloany ny fampahatahorana.
15
Mivalombalona ny hotraka amin’ny tenany; mafy ireny ka tsy azo endahina.
16
Mafy tahaka ny vato ny fony; eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
17
Raha mitsangana izy dia raiki-tahotra ny mahery; eny, toran-kovitra ireo ka mihemotra.
18
Raha misy mamely azy amin’ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ny lefom-pohy na ny firombaka na ny zana-tsipìka.
19
Ataony toy ny mololo ny vy ary toy ny hazo momoka ny varahina.
20
Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; ataony ho toy ny vodivary ny vaton’antsamotady.
21
Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; ihomehezany ny fisidin’ny lefona.
22
Ny takibany dia tahaka ny vakim-bilany maranitra; toy ny mitarika ragiragy eo amin’ny fotaka izy.
23
Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
24
Mampahazava ny lalany eo aorianany izy ka lasa toy ny volo fotsy ny lalina.
25
Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
26
Ny avo rehetra dia jereny avokoa; mpanjakan’ny bibidia rehetra izy.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42