bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 40
Job 40
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 41 →
1
Ary NY TOMPO mbola niteny tamin’i Joba hoe:
2
Hiady amin’ny Tsitoha va io mpanohitra Azy io? Aoka ny mpananatra an’Andriamanitra no hamaly!
3
Ary namaly NY TOMPO i Joba hoe:
4
Indro, tsinontsinona aho, koa inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
5
Efa niteny indray mandeha aho ka tsy hamaly intsony; eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
6
Dia niteny tamin’i Joba teo amin’ny tafio-drivotra NY TOMPO hoe:
7
Misikìna tahaka ny lehilahy; fa hanadina anao Aho ka hampianatra Ahy ianao.
8
Hanaisotra ny fahamarinana Amiko tokoa va ianao? Hanameloka Ahy va ianao mba hanamarinana ny tenanao kosa?
9
Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
10
Miravaha fahamboniana sy rehareha ianao ary mitafia famirapiratana sy voninahitra!
11
Avelao hihanaka ny fahatezeranao mirehitra; jereo ny mpiavonavona rehetra ka ampietreo!
12
Eny, jereo ny mpiavonavona rehetra ka aongany! Hoseo eo amin’ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
13
Asitriho ao amin’ny vovoka avokoa izy rehetra; sarony ao amin’ny maizina ny tavany!
14
Fa Izaho kosa dia hidera anao satria mahavonjy anao ny tananao havanana.
15
Indro ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany! Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
16
Indro, ao amin’ny andilany ny heriny ary ao amin’ny ozatra amin’ny kibony ny tanjany.
17
Henjaniny ho tahaka ny hazo sedera ny rambony, mifaniditriditra ny ozatra amin’ny feny.
18
Ny taolany dia tahaka ny fantsona varahina; eny, tahaka ny anjam-by ny taolany.
19
Voalohany amin’ny asan’Andriamanitra izy; ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
20
Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra izay ilalaovan’ny bibidia rehetra;
21
eo ambanin’ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy honahona.
22
Manalokaloka azy ny hazo lota ary ny hazomalahelo eny amoron’ny ony no manodidina azy.
23
Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; matoky izy na dia migorodana amin’ny vavany aza ny Jordana.
24
Moa misy mahasambotra azy va raha mihiratra ny masony? Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
25
Mahasarika an’i leviatana amin’ny fintana va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka?
26
Mahisy tady zozoro amin’ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ny farango?
27
Hifona injato aman’arivo aminao va izy na hanao teny malefaka aminao?
28
Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
29
Hilalao azy tahaka ny filalao voronkely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ny zazavavy kely ao aminao va ianao?
30
Hataon’ny mpaka hazandrano varotra va izy ka hotsinjarainy amin’ny mpivaro-mandeha?
31
Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao na firombaka amin’ny lohany?
32
Atehefo aminy ange ny tananao: Raha tsaroanao ny ady dia tsy hanindroa intsony ianao!
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42