bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 24
Job 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 25 →
1
Nahoana no tsy misy fotoanandro voatendrin’ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ny mahalala Azy izany androny izany?
2
Misy mamindra ny fanamarihana ny sisintanin’olona sy mangalatra omby aman’ondry sady miandry azy.
3
Mandroaka ny borikin’ny kamboty izy ireny ary maka ny ombin’ny mpitondratena ho antoka.
4
Manosika ny mahantra hiala amin’ny lalana izy ka miery azy avokoa ny ory amin’ny tany.
5
Indro, tahaka ny fivoakan’ny borikidia any an-tany efitra no fiaingan’ny mahantra amin’ny masoandro miposaka ho amin’ny asany mba hiremby; ny tany ngazana no ahazoany hanina ho an’ny zanany.
6
Any an-tsaha izy ireny no maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7
Mandry mitanjaka amin’ny alina izy satria tsy manan-damba sady tsy manana firakotra ho amin’ny hatsiaka;
8
kotsan’ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy ka mitampisaka amin’ny vatolampy satria tsy manam-pialofana.
9
Sarihina eo am-pinonoana ny kamboty ary akana antoka ny ory.
10
Mandeha mitanjaka izy ireny fa tsy manan-kitafy ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary;
11
manamboatra diloilo any amin’ny sahan’ny hafa izy; manosihosy ny famiazam-boaloboka izy nefa mangetaheta ihany.
12
Mitrona ny miala aina ao an-tanàna ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona; nefa tsy ahoan’Andriamanitra akory ny ratsy mitranga!
13
Ireny no mpikomy amin’ny mazava; tsy mba mihevitra ny lalany izy na mitoetra eo amin’ny alehany.
14
Raha vao mangiran-dratsy dia mifoha ny mpamono olona; mamono ny ory sy ny malahelo izy; nony alina izy dia tahaka ny mpangalatra.
15
Ny mason’ny mpijangajanga dia miandry ny maizimaizina ka hoy izy: Tsy misy hahita ahy, dia manisy sarona ny tavany izy.
16
Misy mamaky trano nony maizina; nefa nony antoandro dia miery izy; tsy mahalala ny mazava izy.
17
Amin’izy rehetra dia aloky ny fahafatesana ny maraina satria hitany ao ny fampahatahoran’ny aloky ny fahafatesana.
18
Mitsinkafona paohin’ny rano izy; voaozona ny fonenany eo amin’ny tany; tsy mivily ho amin’ny lalana mankeny amin’ny tanim-boaloboka izy.
19
Toy ny andevonan’ny andro maina sy ny andro mafana ny rano avy amin’ny orampanala no andevonan’ny fitoeran’ny maty ny mpanota.
20
Manadino azy ny kibo nitondra azy; manjary hanim-py ho an’ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony! Tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
21
dia ilay mikarakara ny momba izay tsy niteraka nefa tsy mba manisy soa ny mpitondratena.
22
Kanefa halavain’Andriamanitra amin’ny heriny ny andron’ny olo-mahery; mitsangana indray ireo na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
23
Ataony mandry fehizay sy tsara tohana izy sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24
Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy eo intsony; midaboka toy ny amboara jinjaina rehetra izy ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
25
Raha tsy izany dia iza no hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42