bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 10
Matthew 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
1
Ary Jesosy niantso ny mpianany roa amby folo lahy hankeo Aminy ka nanome azy ireo fahefana handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.
2
Izao no anaran’ny Apostoly roa amby folo lahy: Ny voalohany, i Simona, izay atao hoe Petera, sy i Andrea rahalahiny; i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny;
3
i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo;
4
i Tadeo; i Simona kananeana ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy.
5
Nirahin’i Jesosy ireo roa amby folo lahy ireo ka nohafatrafarany hoe: Aza mandeha any amin’ny lalan’ny Jentilisa ary aza miditra amin’izay tanànan’ny Samaritana,
6
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely.
7
Ary raha mandeha ianareo dia mitoria hoe: Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.
8
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9
Aza mitady volamena na volafotsy na varahina, ho ao anatin’ny fehikibonareo,
10
na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny.
11
Amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo dia fantaro tsara izay mendrika ao ka mitoera ao mandra-pialanareo.
12
Ary raha vao miditra ao an-trano ianareo dia miarahabà ny olona ao.
13
Koa raha mendrika ny olona ao an-trano dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
14
Ary izay tsy mampandroso anareo, na tsy mihaino ny teninareo, mialà amin’izany trano na tanàna izany, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
15
Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana noho ny ho amin’izany tanàna izany.
16
Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny bibilava ary aoka ho tsotra tahaka ny voromailala.
17
Ary mitandrema ianareo ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Sinedriona sy hokapohiny ao amin’ny sinagogany ianareo;
18
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny Amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny Jentilisa.
19
Fa rehefa manolotra anareo izy dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na ny amin’izay zavatra holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo.
20
Fa tsy ianareo no miteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
21
Ary ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray dia hanolotra ny zanany; ary ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahafaty azy.
22
Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
23
Ary raha enjehina ao amin’ny tanàna iray ianareo dia mandosira ho any amin’ny tanàna hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Israely akory ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.
24
Ny mpianatra dia tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
25
Fa ampy amin’ny mpianatra raha tonga tahaka ny mpampianatra azy izy, ary ny mpanompo raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nolazainy hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
26
Koa amin’izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eo amin’ny mazava ary izay ren’ny sofinareo dia torio eny an- tampon-trano.
28
Ary aza matahotra izay mamono ny vatana, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra izay mahay mahavery ny fanahy sy ny vatana any amin’ny afobe.
29
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.
30
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31
Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32
Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
33
Fa na zovy na zovy no handa Ahy eo anatrehan’ny olona dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
34
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra.
35
Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny;
36
ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony (Mik 7.6).
37
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
38
Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy.
39
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ary izay mahafoy ny ainy noho ny Amiko dia hahavonjy azy.
40
Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
41
Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina.
42
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28