bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 23
Matthew 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 24 →
1
Ary tamin’izany Jesosy dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany hoe:
2
Eo amin’ny fitoeran’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo;
3
koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy nefa tsy manatanteraka.
4
Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.
5
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany ary ataony vaventy ny morontongotr’akanjony.
6
Ary tia ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana, sy ny fipetrahana eny anoloana eo amin’ny sinagoga izy
7
ary koa ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena sy ny hataon’ny olona hoe: Raby ô!
8
Fa ianareo kosa dia aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
9
Aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo koa; fa iray ihany no Ray dia izay any an-danitra.
10
Ary aza mba mety antsoina hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo dia Kristy.
11
Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
12
Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.
13
Fa lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy, fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa tsy miditra ianareo ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra.
14
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ny mpitondratena, dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa.
15
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo prozelita iray monja; ary rehefa azonareo izy dia ataonareo zanaky ny afobe indroa mihoatra noho ianareo.
16
Lozanareo, jamba nefa mpitarika izay milaza hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly dia mamato-tena izy.
17
Ry adala sy jamba! Inona no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
18
Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny dia mamato-tena izy.
19
Ry jamba! Inona no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
20
Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny alitara, dia mianiana aminy sy amin’ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
21
Ary izay mianiana amin’ny tempoly dia mianiana aminy sy amin’izay mitoetra ao aminy.
22
Izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’izay mipetraka eo amboniny.
23
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe indrindra amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto no tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony ho navelanao iretsy.
24
Ry jamba nefa mpitarika! Tantavaninareo ny moka nefa atelinareo ny rameva.
25
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia nefa ny ao anatiny dia feno fandrobana sy tsy fahononana.
26
Ry Fariseo jamba! Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny ivelany.
27
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho ho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolam-paty mbamin’ny fahalotoana rehetra.
28
Dia tahaka izany koa ianareo: Raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna.
29
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ny olona marina,
30
koa hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ny razanay izahay dia tsy mba ho niombona taminy handatsa-dra ny mpaminany.
31
Dia miampanga tena ianareo fa zanak’izay namono ny mpaminany.
32
Ary ianareo izao dia efa nahafeno ny kapoaka famaran’ny razanareo.
33
Ry bibilava, ry taranaky ny menarana! Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny afobe?
34
Ary noho izany dia indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany dia hovonoinareo sy hohomboinareo amin’ny hazofijaliana, ny sasany dia hokapohinareo ao amin’ny sinagoganareo sy henjehinareo any amin’ny tanàna sy vohitra
35
mba hanody anareo ny ran’ny tsy manan-tsiny rehetra, izay nalatsaka tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny alitara.
36
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
37
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho ao aminy, impiry Aho no ta hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany fa tsy nety ianareo!
38
Indro, ho lao ny tranonareo.
39
Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28