bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 14
Matthew 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
1
Tamin’izany andro izany i Heroda mpanapaka dia nandre ny lazan’i Jesosy
2
ka hoy izy tamin’ny mpanompony: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanaovany izao asa lehibe izao.
3
Satria tokoa i Heroda dia efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy tao an-tranomaizina, noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny.
4
I Jaona dia efa nilaza taminy hoe: Tsy azonao atao ny maka azy ho vadinao.
5
Koa naniry hamono azy i Heroda, saingy natahotra ny vahoaka izy satria nataon’ireo ho mpaminany i Jaona.
6
Fa nony tonga ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’i Herodiasy ka nahafaly an’i Heroda izany.
7
Noho izany, nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
8
Ary rehefa nomen’ny reniny hevitra Razazavavy dia nilaza hoe: Omeo ahy eto ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.
9
Dia nalahelo ny mpanjaka, nefa noho ny fianianany sy ireo olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia nandidy ihany izy mba hanomezana azy izany.
10
Koa nandefa iraka hanapaka ny lohan’i Jaona tao an-tranomaizina izy.
11
Dia noentina teo ambony lovia ny lohan’i Jaona ka nomena ilay zazavavy; ary izy kosa dia nitondra izany ho ao amin’ny reniny.
12
Ary tonga ny mpianatr’i Jaona ka naka ny fatiny dia nandevina azy; avy eo dia lasa izy ireo nilaza izany tamin’i Jesosy.
13
Ary nony nandre izany Jesosy dia niondrana an-tsambokely niala teo, handeha hitokana any an-tany efitra; nefa raha nandre izany ny vahoaka dia niainga avy teny amin’ny tanànany avy ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
14
Nony nidina avy tao an-tsambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ireo Izy ka nanasitrana ireo marariny.
15
Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao ary efa hariva ity ny andro; ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina.
16
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha ireo; fa omeonareo hanina.
17
Fa hoy ny mpianany Taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atỳ aminay.
18
Ary hoy Izy: Ento etỳ amiko izany.
19
Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo dia natolony ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra ho an’ny vahoaka.
20
Dia nihinana avokoa izy rehetra ka voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahafeno harona roa amby folo.
21
Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
22
Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely mba hialoha Azy eny ampita mandra-pandravany ny vahoaka.
23
Rehefa avy nandrava ny vahoaka Izy dia niakatra tao an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka; nony hariva ny andro dia nitoetra irery teo Izy.
24
Efa lasa stadio maromaro lavitry ny morona ny sambokely tamin’izay ka natopatopan’ny alondrano satria notoherin’ny rivotra izy.
25
Ary tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina hankeny amin’ny mpianany Jesosy.
26
Nony nahita Azy nandeha teo ambonin’ny ranomasina ny mpianatra dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Matoatoa io; dia niantsoantso izy ireo noho ny tahotra.
27
Nefa Jesosy niteny tamin’izy ireo niaraka tamin’izay hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra.
28
Ary hoy i Petera Taminy: Tompoko, raha Ianao ary io dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.
29
Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely i Petera ka nandeha teo ambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy.
30
Rehefa hitany fa nahery ny rivotra dia natahotra izy, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantsoantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
31
Dia nanatsotra ny tanany niaraka tamin’izay Jesosy ka nandray azy sady niteny taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
32
Ary rehefa niakatra tao an-tsambokely izy ireo dia nitsahatra ny rivotra.
33
Ary izay tao an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka niteny hoe: Marina fa Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.
34
Rehefa niampita izy ireo dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
35
Nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo dia nandefa iraka tany amin’ny tany rehetra manodidina mba hitondra ny marary rehetra ho eo Aminy.
36
Ary nangataka Taminy ireo mba hahazo hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza; koa na iza na iza no nikasika izany dia sitrana avokoa.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28