bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 4
Matthew 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
1
Ary Jesosy dia noentin’ny Fanahy nankany an-tany efitra mba halain’ny devoly fanahy.
2
Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany dia noana.
3
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
4
Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3).
5
Dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina indray ny devoly ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly
6
sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).
7
Hoy Jesosy taminy: Voasoratra koa hoe: «Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrao.»
8
Ary nitondra Azy nankany an-tendrombohitra avo dia avo indray ny devoly ka naneho Azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny
9
sady niteny Taminy hoe: Homeko Anao izao rehetra izao raha miankohoka eto anatrehako Ianao.
10
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13)
11
Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
12
Nony ren’i Jesosy fa voasambotra i Jaona dia nihataka nankany Galilia Izy.
13
Koa rehefa niala tany Nazareta Izy dia nankany Kapernaomy, izay any amoron-dranomasina, ao amin’ny zaratanin’ny Zebolona sy ny Naftaly ka nonina tao
14
mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe:
15
«Ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly, ny lalan’ny ranomasina, any andafin’i Jordana, dia Galilia, tanin’ny Jentilisa,
16
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana» (Isa 8.23; 9.1).
17
Tamin’izany andro izany no nanomboka nitoriteny Jesosy ka nilaza hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
18
Raha nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy dia nahita olona mirahalahy, dia i Simona, izay atao hoe: Petera, sy i Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina izy ireo fa mpanarato.
19
Hoy Jesosy tamin’izy ireo: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.
20
Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
21
Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy.
22
Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
23
Ary Jesosy nandeha manerana an’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona teo sy nitory ny Filazantsaran’ny fanjakana ary nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.
24
Dia niely manerana an’i Siria ny lazany ka noentin’ny olona tany Aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina maro samihafa sy ireo nampahorin’ny adin-tsaina, dia ny demoniaka sy izay mararin’ny androbe ary ny malemy, ary nahasitrana ireny Izy.
25
Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy any Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy any andafin’i Jordana.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28