bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 25
Matthew 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 26 →
1
Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo izay nitondra ny fanalany ka niainga mba hitsena ny mpampakatra.
2
Ny dimy tamin’ireo dia adala fa ny dimy kosa dia hendry.
3
Fa nandray ny fanalany ny adala nefa tsy nitondra solika fiandry;
4
ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany.
5
Ary raha naharitra ela ny mpampakatra dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
6
Nefa nony misasakalina dia nisy antso hoe: Iny ny mpampakatra! Mitsangàna mba hitsena azy.
7
Dia nitsangana ireo virijiny rehetra ireo ka samy nanamboatra ny fanalany.
8
Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
9
Fa namaly azy ireo ny hendry hoe: Tsia, tsy ampy ho anay sy ho anareo ny anay, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra ka mividiana ho anareo.
10
Nefa raha mbola lasa nividy izy ireo dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady dia narindrina ny varavarana.
11
Taorianan’izany vao tonga kosa ireo virijiny sisa ka niteny hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay!
12
Fa hoy izy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
13
Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
14
Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny olona iray izay handeha ho any an-tany lavitra ka niantso ny mpanompony dia nanolotra azy ireo ny fananany:
15
Koa ny iray dia nomeny talenta dimy, ny iray dia talenta roa ary ny iray dia talenta iray, samy araka izay fahaiza-manaony avy; dia lasa nandeha izy.
16
Avy hatrany dia lasa ilay nandray ny talenta dimy ka nampiasa izany; ary nahazo tombony talenta dimy hafa izy.
17
Toy izany koa, ilay nandray ny talenta roa dia nahazo tombony roa.
18
Fa ilay nandray ny talenta iray kosa dia lasa nihady tany ka nanafina ny volan’ny tompony tao.
19
Nony ela dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ary nampamoaka azy ireo ny amin’ny volany.
20
Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho.
21
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.
22
Nanatona koa ilay nandray ny talenta roa dia niteny hoe: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa hafa aho.
23
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.
24
Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voa tsy ary ianao ka mijinja eny amin’izay tsy namafazanao sady manangona eny amin’izay tsy nanelezanao;
25
dia natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany; indro, lasanao ny anao.
26
Ary ny tompony dia namaly azy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nanelezako;
27
koa tokony ho nametraka ny volako tany amin’ny mpampisambo-bola ianao, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zana-bola.
28
Koa alao eny aminy ny talenta dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29
Fa izay rehetra manana dia homena ka hanam-be; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30
Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
31
Ary raha tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’Olona, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny Izy;
32
ary hovoriana eo anatrehany ny firenena rehetra dia hanavaka azy ireo Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy;
33
koa hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy fa ny osy kosa dia eo amin’ny ankaviany.
34
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
35
fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo;
36
tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo.
37
Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
38
Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay?
39
Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay?
40
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
41
Hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny;
42
fa noana Aho nefa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho nefa tsy mba nampisotroinareo;
43
nivahiny Aho nefa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho nefa tsy mba nampiakanjoinareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho nefa tsy mba novangianareo.
44
Ary hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
45
Fa Izy hamaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo Tamiko.
46
Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28