bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 7
Matthew 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 8 →
1
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo.
2
Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
3
Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory?
4
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka hesoriko ny singan’ahitra eo amin’ny masonao; nefa indro ny andry dia eo amin’ny masonao?
5
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
6
Aza omena ny amboa ny masina; ary aza atsipy eny amin’ny kisoa ny vatosoanareo, fandrao hanitsaka azy izy dia hifotitra ka hamiravira anareo.
7
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
8
Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
9
Fa iza moa aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato?
10
Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana?
11
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy?
12
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
13
Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any.
14
Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
15
Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira.
16
Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo?
17
Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy.
18
Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara.
19
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
20
Koa ny voany no hahafantaranareo azy.
21
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.
22
Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?
23
Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
24
Koa amin’izany, na zovy na zovy no mandre ny teniko teo ka mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.
25
Ary rehefa latsaka ny ranonorana dia nisy riaka be sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy.
26
Fa izay rehetra mandre ireo teniko ireo nefa tsy mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy adala izy izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika.
27
Koa rehefa latsaka ny ranonorana dia nisy riaka be sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany, dia nianjera izy ary loza ny faharavany.
28
Nony efa vitan’i Jesosy izany teny izany dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
29
satria nampianatra azy ireo toy izay manana fahefana Izy fa tsy tahaka ny mpanoradalàna teo aminy.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28