bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 18
Matthew 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 19 →
1
Tamin’io fotoana io indrindra dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka niteny hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?
2
Ary Jesosy niantso zazakely iray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
3
ka niteny hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy.
4
Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza ity dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
5
Ary na zovy na zovy no handray zazakely iray tahaka itony amin’ny anarako dia mandray Ahy.
6
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.
7
Lozan’izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! Fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
8
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay.
9
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe.
10
Tandremo fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko izay any an-danitra.
11
Fa tonga ny Zanak’Olona hamonjy ny very.
12
Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny iray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
13
Ary raha toa ka hitany izany dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
14
Tahaka izany dia tsy sitraky ny Rainareo izay any an-danitra raha ho very na dia iray monja aza amin’ireny madinika ireny.
15
Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao;
16
fa raha tsy mihaino anao kosa izy dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa mba hohamafisina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny teny rehetra (Deo 19.15).
17
Ary raha tsy mety mihaino an’ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.
18
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahànareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
19
Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
20
Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho.
21
Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?
22
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.
23
Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay ta hanamarina ny amin’ny toe-bolany amin’ny mpanompony.
24
Ary raha vao nanamarina izy dia nisy iray noentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
25
Ary satria tsy nanan-kaloa izy io dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vady aman-janany mbamin’ny fananany rehetra mba handoavana ny trosa.
26
Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka niteny hoe: Tompoko, omeo andro aho fa haloako ny anao rehetra.
27
Onena azy ny tompon’izany mpanompo izany ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
28
Nefa nony niala teo ilay mpanompo dia nahita mpanompo namany iray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny Ilehio ka nokendainy sady nataony hoe: Aloavy izay trosako any aminao.
29
Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy hoe: Omeo andro aho fa haloako ny anao.
30
Nefa tsy nety izy fa lasa nampiditra azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31
Nony hitan’ireo mpanompo namany izay efa nataony dia nalahelo indrindra izy ireo ka nandeha nanao tatitra tamin’ny tompony momba ny zava-niseho rehetra.
32
Dia nampiantsoin’ny tompony Ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko manontolo ny trosa taminao satria nifona tamiko ianao;
33
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
34
Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
35
Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28