bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 16
Matthew 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 17 →
1
Nankeo Aminy indray ny Fariseo sy ny Sadoseo dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
2
Ary Izy namaly azy ireo hoe: Rehefa hariva ny andro dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro fa mena ny lanitra.
3
Ary amin’ny maraina dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro fa mena sy manjombona ny lanitra. Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
4
Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Dia nandao azy Jesosy ka lasa.
5
Rehefa tonga teny ampita ny mpianatra dia nanadino nitondra mofo.
6
Dia hoy Jesosy taminy: Mandiniha ianareo ka mitandrema mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
7
Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angamba izany.
8
Ary Jesosy nahalala ny resany ka niteny tamin’ireo hoe: Nahoana no mifampiresaka ny amin’ny tsy fanananareo mofo ianareo, ry kely finoana?
9
Tsy mbola azonareo ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ny olona dimy arivo, firy harona moa no nangoninareo?
10
Na ny mofo fito ho an’ny olona efatra arivo, firy sobika moa no nangoninareo?
11
Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa hoe tandremo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
12
Teo vao fantany fa tsy nasainy hitandrina ny amin’ny masirasira fanaovana mofo izy ireo fa ny amin’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
13
Rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kaisarian’i Filipo Jesosy dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?
14
Ary hoy ireo: Ny sasany dia milaza hoe: Jaona Mpanao batisa; ary ny sasany dia milaza hoe: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany.
15
Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa mba milaza Ahy ho iza?
16
Namaly i Simona Petera hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.
17
Dia hoy indray Jesosy taminy: Sambatra ianao, ry Simona, zanak’i Jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany fa ny Raiko izay any an-danitra.
18
Ary Izaho koa milaza aminao fa ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty dia tsy haharesy azy.
19
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; koa na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra ary na inona na inona vahànao etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
20
Tamin’izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’olona akory fa Izy no Kristy.
21
Hatramin’izay andro izay no nanombohan’i Jesosy naneho tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaly Azy mafy ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanoradalàna, dia hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.
22
Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera ka niteny Azy mafy hoe: Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho Aminao mihitsy izany.
23
Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.
24
Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
25
Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo izany.
26
Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy? Ary inona moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?
27
Fa ho avy ny Zanak’Olona amin’ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny asany.
28
Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28