bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 2
Matthew 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 3 →
1
Rehefa teraka tao Betlehema any Jodia Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, dia indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka niteny hoe:
2
Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3
Ary nony nandre izany i Heroda mpanjaka dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema manontolo.
4
Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy?
5
Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6
«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy dia kely indrindra amin’ireo tanàna ao Joda ianao tsy akory; fa avy ao aminao no hiavian’Izay iray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko» (Mik 5.1).
7
Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.
8
Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9
Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.
10
Koa nony nahita ilay kintana izy ireo dia dibo-kafaliana.
11
Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.
12
Nefa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda dia lalana hafa no nandehanany nody ho any amin’ny fonenany.
13
Nony efa lasa nandeha ireo dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka niteny hoe: Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Ejipta, koa mitoera any ambara-piteniko aminao; satria i Heroda dia mitady ny Zazakely hovonoiny.
14
Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Ejipta;
15
ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’NY TOMPO ny mpaminany hoe: «Nantsoiko avy tany Ejipta ny zanako» (Hos 11.1).
16
Nony fantatr’i Heroda fa voafitaky ny Magy izy dia tezitra mafy izy ka nandefa iraka hamono ny zazalahy rehetra hatramin’ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin’ny manodidina rehetra, araka ny fotoana izay nofotorany fatratra tamin’ny Magy.
17
Dia tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe:
18
«Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely, ary tsy azo nampiononina izy satria lany ritra ireny.» (Jer 31.15)
19
Rehefa maty i Heroda dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Ejipta tamin’ny nofy ka niteny hoe:
20
Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Israely fa efa maty ireo izay nitady ny ain’ny Zazakely.
21
Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ny tanin’ny Israely.
22
Rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; koa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy dia lasa nankany amin’ny faritanin’i Galilia.
23
Nony tonga tany izy ireo, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazareana Izy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28