bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 17
Matthew 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 18 →
1
Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
2
Dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy, koa ny tarehiny dia namirapiratra tahaka ny masoandro, ary tonga fotsy tahaka ny mazava ny fitafiany.
3
Ary indreo, niseho tamin’ny mpianatra i Mosesy sy i Elia, niresaka tamin’i Jesosy.
4
Dia niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao dia hanao tranolay telo eto aho: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia.
5
Raha mbola niteny izy dia indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona niteny hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy.
6
Ary nony nandre izany ny mpianatra dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
7
Ary Jesosy nankeo aminy dia nikasika azy ireo sady niteny hoe: Mitsangàna fa aza matahotra.
8
Nefa nony niandrandra izy ireo dia tsy nahita na iza na iza, afa-tsy Jesosy irery.
9
Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.
10
Ary nanontany Azy ny mpianany hoe: Nahoana ary no ilazan’ny mpanoradalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?
11
Ary Jesosy namaly hoe: I Elia dia ho tonga ihany ka hamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra.
12
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady i Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona.
13
Dia fantatry ny mpianatra fa ny amin’i Jaona Mpanao batisa no nolazainy taminy.
14
Rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo dia nisy lehilahy iray nanatona an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany
15
sady niteny hoe: Tompoko, mamindrà fo amin’ny zanako lahy fa mararin’ny androbe izy ka mijaly tokoa; matetika izy no mianjera ao anaty afo ary matetika ao anaty rano.
16
Ary nitondra azy tamin’ny mpianatrao aho nefa tsy nahay nanasitrana azy izy.
17
Ary hoy Jesosy: Ry taranaka tsy mino sady diso lalana, mandra-pahoviana no hiarahako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ Amiko izy.
18
Ary niteny mafy azy Jesosy dia niala taminy ny demonia ka sitrana tamin’izay ora izay ilay zazalahy.
19
Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka niteny hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny?
20
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana toy ny voantsinapy iray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ dia hifindra izy; ary tsy hisy zavatra tsy ho hainareo hatao.
21
Kanefa iny karazana iny dia tsy miala raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.
22
Rehefa tafaverina tany Galilia izy ireo dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Ny Zanak’Olona efa hatolotra ho eo an-tanan’ny olona
23
ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary nalahelo indrindra ireo.
24
Nony tonga tao Kapernaomy izy ireo dia nankeo amin’i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekela na didrakma ka niteny hoe: Moa va ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekela na didrakma?
25
Dia hoy i Petera: Mandoa Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano i Petera dia nialohavan’i Jesosy teny izy ka nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany haban-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va sa avy amin’ny olon-kafa?
26
Ary hoy i Petera taminy: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Raha izany dia afaka ny zanaka.
27
Kanefa mba tsy hahatonga antsika hanafintohina azy ireo dia mandehana any amin’ny ranomasina ianao ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, koa rehefa sokafanao ny vavany dia hahita vola statera ao ianao; dia raiso izany ka omeo azy ireo ho avy Amiko sy avy aminao.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28