bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 15
Matthew 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 16 →
1
Ary nisy Fariseo sy mpanoradalàna avy tany Jerosalema nankeo amin’i Jesosy ka niteny hoe:
2
Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy ireo rehefa hihinan-kanina.
3
Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
4
Fa Andriamanitra efa niteny hoe: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).
5
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy.
6
Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
7
Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe:
8
«Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony fa ny fony kosa lavitra Ahy.
9
Koa zava-poana ny ivavahan’ireo Amiko, raha mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy» (Isa 29.13).
10
Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ka fantaro:
11
Tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona.
12
Dia nankeo Aminy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo raha nandre izany teny izany?
13
Fa Izy namaly hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.
14
Avelao izy, fa jamba mitarika jamba; ary raha ny jamba no mitarika jamba dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
15
Fa hoy i Petera Taminy: Lazao aminay ny hevitr’izany fanoharana izany.
16
Dia hoy Jesosy: Ianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
17
Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka any amin’ny toeram-pivoahana?
18
Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo ka izany no mahaloto ny olona.
19
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
20
izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tanana tsy voasasa dia tsy mba mahaloto ny olona.
21
Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ny faritanin’i Tiro sy Sidona.
22
Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia loatra.
23
Kanefa Izy tsy namaly azy akory na dia teny indraimbava aza. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka Taminy hoe: Roahy izy fa miantsoantso mafy ato aorianantsika.
24
Fa Izy namaly hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely.
25
Nanatona ihany anefa Ravehivavy sady niankohoka teo anatrehany no niteny Taminy hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
26
Ary Izy namaly hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely.
27
Fa hoy Ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboa kely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.
28
Dia namaly azy Jesosy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay.
29
Raha niala teo Jesosy dia nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia; niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
30
ary nisy vahoaka betsaka nankeo Aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny kilemaina, ny moana sy ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy ireny Izy;
31
talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka mandeha ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Israely izy rehetra.
32
Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo Aminy ka niteny hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ Amiko izy izao nefa tsy manan-kohanina ihany; tsy tiako ny hampody azy ireo tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
33
Fa hoy ny mpianatra Taminy: Aiza no hahitanay mofo ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao atỳ an-tany efitra?
34
Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy ary any aminareo? Dia hoy ireo: Fito sy hazandrano madinika vitsy.
35
Dia nandidy ny vahoaka hipetraka amin’ny tany Izy.
36
Ary nandray ny mofo fito mbamin’ny hazandrano Izy, koa rehefa nisaotra dia namaky izany ka nanolotra azy ho an’ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra izany ho an’ny vahoaka.
37
Nihinana avokoa izy rehetra ka voky; rehefa nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahafeno fito sobika.
38
Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
39
Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ny sisintanin’i Magadana.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28