bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 27
Matthew 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 28 →
1
Nony maraina ny andro dia nikaon-doha ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny loholona hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy ho faty.
2
Ary rehefa nafatony Izy dia noentiny ka natolony an’i Pilato governora.
3
Fa i Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekela volafotsy telopolo tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona
4
sady niteny hoe: Nanota aho satria namadika ny ran’ny tsy manan-tsiny. Fa hoy ireo: Ahoanay inona izany fa raharahanao!
5
Ary rehefa avy nanipy ny vola teo amin’ny tempoly izy dia lasa nandeha ka nananton-tena.
6
Ary ny lehiben’ny mpisorona dia nandray ny vola ka niteny hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly ity fa vidin-dra.
7
Koa rehefa nikaon-doha izy ireo dia novidiny tamin’ilay vola ny sahan’ny mpanefy vilany mba ho fandevenam-bahiny.
8
Ary izay no iantsoana izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-dra.
9
Ary tamin’izany dia tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe: «Dia nalainy ny volafotsy telopolo, vidin’ilay notombanan’ny Zanak’Israely,
10
ka nomeny hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany izany, araka izay nandidian’NY TOMPO ahy» (Jer 18.2; Zak 11.13).
11
Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ny governora; dia nanontany Azy ny governora hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Hoy Jesosy: Voalazanao.
12
Ary rehefa nampangain’ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny loholona Izy dia tsy namaly akory.
13
Hoy i Pilato Taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangan’ireo Anao izany?
14
Fa tsy namaly azy Izy na dia indraimbava aza ka gaga tokoa ny governora.
15
Isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ny governora ny manafaka mpifatotra iray ho an’ny vahoaka, araka izay tiany.
16
Ary tamin’izany nisy mpifatotra malaza iray antsoina hoe Barabasy.
17
Koa nony tafangona teo ny olona dia hoy i Pilato: Iza moa no tianareo hafahako ho anareo, i Barabasy sa Jesosy izay lazaina hoe Kristy?
18
Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo Azy.
19
Ary rehefa nipetraka teo amin’ny fitsarana izy dia nandefa iraka hankeo aminy ny vadiny hilaza aminy hoe: Aza manao na inona na inona amin’izany Lehilahy marina izany fa nampahory be ahy androany ny nanofisako Azy.
20
Ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny loholona anefa dia nitaona ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy ka hampamono an’i Jesosy.
21
Fa hoy ny governora tamin’izy ireo: Iza amin’izy roa lahy moa no tianareo hafahako ho anareo? Dia hoy izy rehetra: I Barabasy.
22
Ary hoy i Pilato: Ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy izay lazaina hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy.
23
Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy rehetra hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy!
24
Ary rehefa hitan’i Pilato fa tsy nisy hevitra, fa vao mainka nitombo ihany ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: Tsy manan-tsiny amin’ny ran’ity Lehilahy ity aho fa raharahanareo.
25
Ary hoy ny olona rehetra hoe: Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay.
26
Dia nanafaka an’i Barabasy ho an’ny olona izy; fa Jesosy kosa dia nasainy nokaravasina ary natolony mba hohomboina amin’ny hazofijaliana.
27
Ary ny miaramilan’ny governora dia nitondra an’i Jesosy ho ao anaty lapa sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo Aminy.
28
Ary nanala ny akanjon’i Jesosy izy ireo dia nampitafy Azy lamba jaky.
29
Dia nandrandrana satroka tsilo ho Azy izy ireo ka nasatrony ny lohany, ary nampitanany volotara ny tanany havanana dia nandohalika teo anatrehany izy ireo ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!
30
Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31
Rehefa naneso Azy avy izy ireo dia nanala ilay lamba jaky Taminy ka nampiakanjo Azy indray, ary noentiny mba hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy.
32
Ary raha nandeha izy ireo dia nahita lehilahy kireniana iray, Simona no anarany, izy io no notereny hitondra ny hazofijalian’i Jesosy.
33
Rehefa tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Golgota, izany hoe Ikarandoha,
34
dia nomeny divay miharo ranon’afero Izy hosotroiny; nefa nony nanandrana izany Izy dia tsy nety nisotro.
35
Ary rehefa voahombony tamin’ny hazofijaliana Izy dia nataony antsapaka no fizara ny fitafiany.
36
Ary nipetraka ry zareo ka niambina Azy teo.
37
Ary napetany teo ambonin’ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy hoe: ity no jesosy, mpanjakan’ny jiosy.
38
Ary nisy jiolahy roa nohomboina niaraka Taminy, ny iray dia teo amin’ny ankavanany ary ny iray dia teo amin’ny ankaviany.
39
Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha
40
no niteny hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana.
41
Ary naneso toy izany koa ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna sy ny loholona ka niteny hoe:
42
Novonjeny ny sasany fa ny tenany dia tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ny Israely Izy! Aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny dia hino Azy izahay;
43
natoky an’Andriamanitra Izy! Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany (Sal 22.8), satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho.
44
Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboina Taminy.
45
Hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia maizina ny tany manontolo.
46
Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao (Sal 22.1)?
47
Ary ny sasany tamin’izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nilaza hoe: Miantso an’i Elia Ilehio.
48
Ary niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny iray tamin’izy ireo ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ny vinaingitra izany dia notohiziny tamin’ny volotara ka natohony hotsentsefin’i Jesosy.
49
Fa ny sasany kosa dia niteny hoe: Aoka hoe hojerentsika na ho avy hamonjy Azy i Elia na tsia.
50
Ary rehefa niantso tamin’ny feo mahery indray Jesosy dia nanolotra ny fanahiny.
51
Dia indro ny efitra lamba tao amin’ny tempoly fa triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; nihorohoro koa ny tany ka nitresaka ny vatolampy;
52
ary nisokatra ny fasana ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodimandry no natsangana,
53
dia nivoaka avy tao amin’ny fasana ireny taorianan’ny nitsanganan’i Jesosy ka nankao amin’ny Tanàna Masina sady niseho tamin’ny olona maro.
54
Ary ny kapiteny sy ireo niaraka taminy niambina an’i Jesosy, raha nahita ny horohoron-tany mbamin’izay zava-niseho teo, dia raiki-tahotra indrindra ka niteny hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.
55
Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra teny, dia ireo izay nanaraka an’i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
56
Isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba, ary i Josesy sy ny renin’ny zanak’i Zebedio.
57
Nony hariva ny andro dia tonga ny lehilahy mpanankarena iray, avy any Arimatia, Josefa no anarany, ary izy koa dia mpianatr’i Jesosy.
58
Nankao amin’i Pilato izany lehilahy izany ka nangataka ny fatin’i Jesosy. Dia nasain’i Pilato nomena azy izany.
59
Ary rehefa nalain’i Josefa ny faty ka nofonosiny lamba hariry madinika madio
60
dia naleviny tao amin’ny fasany vaovao izay efa nolavahany tao amin’ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy dia lasa nandeha.
61
Ary teo i Maria Magdalena sy ilay Maria hafa ka nipetraka tandrifin’ny fasana.
62
Nony ampitson’ny andro fiomanana dia nivory teo amin’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo
63
ka niteny hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nilaza hoe: Raha afaka hateloana dia hitsangana Aho.
64
Koa asaivo ambenana tsara ny fasana mandra-pahatongan’ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka hangalatra Azy dia hilaza amin’ny olona hoe: Efa nitsangana tamin’ny maty Izy; koa ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
65
Hoy i Pilato: Makà ary mpiambina ka mandehana ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
66
Nony lasa ireo dia nasainy nambenan’ny mpiambina mafy ny fasana, rehefa avy nasiany tombo-kase ny vato.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28