bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 19
Matthew 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 20 →
1
Ary rehefa vitan’i Jesosy ireo teny ireo dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny andafin’i Jordana, dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia.
2
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy dia nanasitrana azy tany Izy.
3
Dia nisy Fariseo nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony?
4
Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27),
5
hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24),
6
koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
7
Hoy ireo Taminy: Nahoana ary i Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy (Deo 24.1)?
8
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
9
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
10
Dia hoy ny mpianany Taminy: Raha izany no toerana misy ny lehilahy manoloana ny vadiny dia aleo tsy manambady.
11
Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany fa izay nomena ihany;
12
fa misy ionòka efa hatrany an-kibon’ny reniny; ary misy ionòka, noho ny nataon’ny olona; ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
13
Tamin’izany, nisy zazakely noentina teo amin’i Jesosy mba hametrahany tanana sy hoentiny am-bavaka; saingy ny mpianany dia niteny mafy ireny.
14
Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
15
Rehefa avy nametraka ny tanany taminy Izy dia niala teo.
16
Indro, nisy lehilahy iray nanatona Azy niteny hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?
17
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Iray no tsara; fa raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.
18
Hoy Ralehilahy taminy: Inona avy moa izany? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga,
19
manajà ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12-16), ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
20
Hoy ilay zatovo Taminy: Izany rehetra izany dia efa voatandriko avokoa; fa inona no mbola tsy ampy amiko?
21
Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22
Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo dia niala tamin’alahelo satria nanankarena be izy.
23
Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
24
Lazaiko aminareo indray: Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
25
Ary nony nandre izany ny mpianatra dia talanjona indrindra ka niresaka hoe: Iza indray ary no azo vonjena?
26
Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
27
Dia hoy i Petera Taminy: Indro, efa nahafoy ny zavatra rehetra izahay ka nanaraka Anao; koa ahoana ny ho aminay?
28
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa tonga amin’ny fahateraham-baovao ka hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny sezafiandrianana roa amby folo ka hitsara ny fokon’Israely roa amby folo.
29
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray avo zato heny ka handova fiainana mandrakizay.
30
Nefa maro izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28