bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 3
Matthew 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
1
Ary tamin’izany andro izany dia niseho vahoaka i Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-tany efitr’i Jodia ka nilaza hoe:
2
Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
3
Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Injany! Misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany» (Isa 40.3).
4
Ny fitafian’i Jaona dia lamba volon-drameva ary fehikibo hoditra no teny aminy; valala sy tantely remby kosa no sakafony.
5
Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i Jordana dia nandeha nankany amin’i Jaona
6
ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
7
Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona mba hatao batisa i Jaona dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8
Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo;
9
ary aza mihevitra ny hiteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
10
Ary indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
11
Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
12
eny an-tanany ny fikororohany, Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo dia hodorany amin’ny afo tsy mety maty.
13
Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa.
14
Fa nandà Azy i Jaona ka niteny hoe: Izaho no tokony hataonao batisa ka Ianao indray va no mankaty amiko?
15
Nefa namaly azy Jesosy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Dia nekeny Izy.
16
Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.
17
Ary injao nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28