bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 8
Matthew 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
1
Rehefa nidina avy any an-tendrombohitra Izy dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
2
Ary indro, nisy boka iray nanatona, niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Tompoko ô, raha mety Ianao dia afaka manadio ahy.
3
Ary Jesosy nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy.
4
Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
5
Nony tonga tao Kapernaomy Jesosy dia nisy kapiteny iray nankao Aminy ka nitaraina Taminy
6
hoe: Tompoko ô, ny mpanompolahiko dia mandry ao an-trano, malemy izy ka mijaly loatra.
7
Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hanasitrana azy.
8
Hoy anefa ilay kapiteny: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko.
9
Fa izaho koa dia mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy; ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy.
10
Ary nony nahare izany Jesosy dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany teo amin’ny Israely Aho.
11
Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-misakafo amin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra;
12
fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
13
Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Tamin’izay ora izay no nahasitrana ilay mpanompony.
14
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry tao, voan’ny tazo.
15
Nokasihiny ny tanan’ilay marary ka niala taminy ny tazo; dia nitsangana Ravehivavy ka nanompo Azy.
16
Ary nony hariva ny andro dia noentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no nandroahany ny fanahy ratsy, koa izay rehetra narary dia nositraniny avokoa
17
mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Isa 53.4).
18
Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko ny handehanana ho eny ampitan’ny ony.
19
Nanatona ny mpanoradalàna iray ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho, na aiza na aiza no halehanao.
20
Nefa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo dia manan-davaka, ny voromanidina dia manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.
21
Ary nisy hafa koa tamin’ny mpianatra niteny Taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
22
Saingy hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
23
Nony niondrana an-tsambokely Izy dia nanaraka Azy ny mpianany.
24
Ary indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, hany ka safotry ny alondrano ny sambokely; nefa Izy natory.
25
Ary nanatona ireo mpianany ka namoha Azy sady niteny hoe: Tompo ô, vonjeo fa maty izahay!
26
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
27
Talanjona ny olona ka niteny hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy!
28
Ary nony tonga teny ampita tany amin’ny tanin’ny Gadareniana izy ireo dia nifanena Taminy ny demoniaka roa lahy, avy tany amin’ny fasana, sady tena masiaka ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin’izany lalana izany.
29
Indro, niantsoantso izy ireo hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak’Andriamanitra ô? Tonga etỳ va Ianao hampijaly anay alohan’ny fotoana?
30
Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nihinana teny lavidavitra azy ireo teny.
31
Dia nifona tamin’i Jesosy ireo demonia ka niteny hoe: Raha avoakanao ary izahay dia alefaso hankany anatin’ireo kisoa iray andiany ireo.
32
Dia hoy Izy taminy: Mandehana! Dia lasa ireo ka niditra tao anatin’ny kisoa; ary indreny, nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa rehetra ka maty tany anatin’ny rano.
33
Ary nandositra ny mpiandry kisoa, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ireo demoniaka.
34
Ary indreo ny olona rehetra avy tao an-tanàna, tonga mba hitsena an’i Jesosy; kanefa nony nahita Azy izy ireo dia nifona tamin’i Jesosy mba hialany amin’ny faritaniny.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28