bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 9
Matthew 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 10 →
1
Niondrana an-tsambokely Izy dia niampita ka tonga tao an-tanànany.
2
Ary indro, nisy lehilahy iray malemy, nandry tamin’ny fandriana noentin’ny olona teo Aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3
Ary indreo ny mpanoradalàna sasany dia niteny anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
4
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
5
Fa inona moa no moramora kokoa, ny miteny hoe: Voavela ny helokao sa ny miteny hoe: Mitsangàna ka mandehana!
6
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka; dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ka modia any an-tranonao.
7
Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
8
Raiki-tahotra ny vahoaka nony nahita izany ka nankalaza an’Andriamanitra, izay nanome ny olona fahefana toy izany.
9
Nony niala teo Jesosy dia nahita lehilahy iray antsoina hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra ka hoy Izy taminy: Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana i Matio ka nanaraka Azy.
10
Ary raha nipetraka nisakafo tao an-trano Izy dia indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany.
11
Raha nahita izany ny Fariseo dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12
Nony nahare izany Jesosy dia niteny hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary.
13
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.
14
Dia nankany amin’i Jesosy ny mpianatr’i Jaona ka niteny hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa dia tsy mba mifady?
15
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady hanina izy.
16
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba mbola tsy voasasa; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny akanjo ka hiitatra ny triatra.
17
Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany dia ho triatra ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-voatahiry izy roa.
18
Raha mbola nilaza izany tamin’izy ireo Izy dia indro, avy ny mpanapaka iray dia niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Maty vao teo ny zanako vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy dia ho velona izy.
19
Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ny mpianany.
20
Ary indro, nisy vehivavy iray izay efa narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona, nankao aorianany ka nikasika ny morontongotr’akanjony.
21
Fa hoy izy anakampo hoe: Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko dia ho sitrana aho.
22
Ary Jesosy nihodina ka nahita azy dia niteny hoe: Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay.
23
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
24
dia niteny hoe: Mialà ato ianareo; fa tsy maty Razazavavy fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25
Nony efa niala tao ny olona dia niditra Jesosy ka nandray ny tanan-dRazazavavy, dia nifoha izy.
26
Ary ny lazan’izany dia niely tamin’izany tany rehetra izany.
27
Nony niala teo Jesosy dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!
28
Ary rehefa niditra tao an-trano Izy dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manatanteraka izany Aho? Hoy izy ireo Taminy: Eny, Tompoko.
29
Dia nikasika ny masony Izy ka niteny hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30
Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy ireo mafy hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao.
31
Kanjo nony niala teo izy roa lahy dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.
32
Ary rehefa lasa ireo dia indro, nisy lehilahy moana iray izay demoniaka noentin’ny olona teo amin’i Jesosy.
33
Rehefa navoaka ny demonia dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka niteny hoe: Tsy mbola nisy zava-niseho toy izao tamin’ny Israely.
34
Fa hoy kosa ny Fariseo hoe: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia.
35
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tany amin’ny sinagoga sy nitory ny Filazantsaran’ny fanjakana ary nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.
36
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy dia nahonena Azy ny fijeriny ireo satria trotraka izy ireo fa nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
37
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
38
Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hanangona ny vokatra.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28