bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 20
Matthew 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
1
Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, niainga vao maraina mba hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
2
Ary rehefa nifanekeny tamin’ny mpiasa fa ho denaria iray isanandro ny karamany dia nasainy nankany amin’ny tanim-boalobony ireny.
3
Niainga indray izy tamin’ny ora fahatelo dia nahita ny sasany nipetra-potsiny teny an-tsena
4
ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka fa izay tokony ho izy no homeko anareo. Dia lasa ireny.
5
Ary niainga indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ka niteny toy izany koa.
6
Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika amby folo dia niainga indray izy ka nahita ny sasany nipetra-potsiny dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mipetra-potsiny eto mandritra ny andro?
7
Hoy ireo taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy Ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka.
8
Rehefa hariva ny andro dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: Atombohy amin’ireo farany mankany amin’ny voalohany.
9
Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika amby folo dia samy denaria iray avy no azon’ny tsirairay.
10
Fa rehefa tonga ireo voalohany dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria iray avy ihany no azony.
11
Koa rehefa nahazo izany izy ireo dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka niteny hoe:
12
Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hafanana.
13
Fa hoy izy tamin’ny iray: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko?
14
Raiso ny anao ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena tahaka ny anao koa.
15
Tsy mahazo manao izay tiako hatao amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao satria tsara aho?
16
Dia toy izany, ny farany dia ho voalohany ary ny voalohany dia ho farany.
17
Ary Jesosy rehefa niakatra ho any Jerosalema dia nitondra ny mpianatra roa amby folo lahy nihataka kely ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
18
Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’Olona hatolotra ho amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna, dia hohelohiny ho faty
19
ka hatolony amin’ny Jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny ary hohomboany amin’ny hazofijaliana; nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana.
20
Tamin’izany, nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ireo zanany lahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra Taminy.
21
Hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy Ravehivavy Taminy: Manomeza teny mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto ao amin’ny fanjakanao; koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.
22
Fa Jesosy namaly azy hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy ireo Taminy: Hainay ihany.
23
Hoy Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako dia tsy anjarako ny hanome izany; fa homena ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy izany.
24
Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra noho ny nataon’izy mirahalahy.
25
Nefa Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ka niteny hoe: Fantatrareo fa ny mpitondra eo amin’ny Jentilisa dia mampanompo azy mafy ary ny lehibeny dia manapaka azy fatratra.
26
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
27
ary izay te ho voalohany aminareo dia ho mpanomponareo.
28
Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
29
Rehefa niala tao Jeriko izy ireo dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
30
Ary indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô!
31
Ary nandrara azy ireo ny vahoaka mba hangina; nefa vao mainka niantsoantso izy hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô!
32
Ary Jesosy nijanona dia niantso azy ireo ka niteny taminy hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
33
Hoy ireo Taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratana ny masonay.
34
Onena azy ireo Jesosy ka nikasika ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’izay izy ireo dia nanaraka an’i Jesosy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28