bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Matthew 21
Matthew 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 22 →
1
Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga any amin’ny tendrombohitra Oliva dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka niteny taminy hoe:
2
Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, fa avy hatrany dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany miaraka aminy ianareo; vahao izy dia ento etỳ Amiko.
3
Ary raha misy miteny anareo dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; ary havelany hoentinareo avy hatrany izy.
4
Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
5
«Lazao amin’i Ziona zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa.»
6
Ary nandeha ny mpianatra ka nanatanteraka izay toromarika nomen’i Jesosy azy,
7
koa noentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, dia nitaingina azy Jesosy.
8
Ary ny ankabeazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ny sasany dia nanapaka rantsan-kazo ary nampihahaka izany teny an-dalana.
9
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe: « Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hosana any amin’ny avo indrindra» (Sal 118.26).
10
Nony efa tafiditra tao Jerosalema Izy dia nihotakotaka ny tanàna manontolo ka niteny hoe: Iza moa izao?
11
Ary nilaza ny vahoaka hoe: Izao no Jesosy mpaminany izay avy any Nazareta any Galilia.
12
Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala;
13
dia hoy Izy tamin’izy ireo: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
14
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy tao amin’ny tempoly dia nositraniny.
15
Fa nony hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ny zava-mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantsoantso ao amin’ny tempoly hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Dia tezitra ry zareo
16
ka niteny Taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy: Eny; mbola tsy novakinareo mihitsy va fa: «Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana» (Sal 8.2)?
17
Dia nandao azy ireo Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania ary nitoetra tany nandritra ny alina.
18
Rehefa niverina ho any an-tanàna Izy, nony maraina, dia nahatsiaro noana.
19
Nahita hazo aviavy iray teo amoron-dalana anefa Izy dia nanatona, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina niaraka tamin’izay ilay hazo aviavy.
20
Ary nony hitan’ny mpianatra izany dia gaga izy ireo ka niteny hoe: Ahoana re no dia nahamaina tampoka io aviavy io?
21
Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo hoe: Mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina, dia ho tonga izany.
22
Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany.
23
Rehefa tafiditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra dia nanatona Azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ka niteny hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
24
Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Hanontany anareo zavatra tokana kosa Aho, koa raha voavalinareo izany dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany Aho:
25
Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Ary nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha lazaintsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany isika hoe: Koa nahoana no tsy nino azy ianareo?
26
Ary raha lazaintsika kosa hoe: Avy amin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika satria eken’ny rehetra fa mpaminany i Jaona.
27
Dia namaly an’i Jesosy izy ireo hoe: Tsy fantatray. Dia hoy koa Jesosy taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.
28
Fa ahoana kosa ny hevitrareo? Nisy lehilahy iray nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka niteny hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanim-boaloboka anio.
29
Fa namaly izy hoe: Tsy handeha aho; nefa nony avy eo dia nanenina izy ka nandeha ihany.
30
Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary namaly azy kosa izy hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
31
Koa iza amin’izy mirahalahy moa no nanao ny sitrapon’ny rainy? Dia hoy ireo: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
32
Fa nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Jaona, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina avy eo mba hinoanareo azy.
33
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanamboatra tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana teo anatiny ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ary nandeha ho any an-tany lavitra izy.
34
Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra.
35
Ny mpiasa tany anefa dia nisambotra ireo mpanompony, koa ny iray dia nokapohiny, ny iray dia novonoiny ary ny iray dia notorahany vato.
36
Dia naniraka mpanompo hafa indray izy, maro noho ny teo; nefa nataony toy izany koa ireny.
37
Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.
38
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ilay zanaka, dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika dia ho lasantsika ny lovany.
39
Dia nosamborin’ireo izy ka navoakany teny ivelan’ny tanim-boaloboka ary novonoiny.
40
Koa rehefa tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa ireo mpiasa tany ireo?
41
Hoy ireo taminy: Ho loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany hafa izay hanome azy ny vokatra amin’izay fotoanany.
42
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo akory tao amin’ny Soratra Masina va izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no tonga vato fehizoro; avy tamin’NY TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22, 23)
43
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
44
Ary izay potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro, ary na zovy na zovy no hianjerany dia ho montsamontsana.
45
Ary rehefa ren’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’i Jesosy dia fantany fa ny tenan-dry zareo no nolazainy tamin’izany.
46
Dia nitady hisambotra Azy izy ireo, saingy natahotra ny vahoaka satria neken’ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28