bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 1
1 Samuel 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
1
Tao Ramà, tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan’ny taranak’i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak’i Jerohama, zafikelin’i Elihò, zafiafin’i Tôhò ary zafindohalik’i Tsofo.
2
Nanam-bady roa izy, dia i Hanà sy i Peninà. I Peninà dia nanan-janaka, fa i Hanà kosa tsy mba niteraka.
3
Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.
4
Fanaon’i Elkanà rehefa manao sorona ny manome anjara ho an’i Peninà sy ny zanany rehetra;
5
fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon’ny TOMPO momba aza.
6
Nitady hatrany izay hanorisorenana an’i Hanà anefa ny rafivaviny, ka nandrabiraby azy noho io nanaovan’ny TOMPO azy momba io.
7
Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon’ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy.
8
Dia hoy i Elkanà vadiny taminy: «Hanà ô, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?»
9
Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran’ny TOMPO.
10
Nalahelo mafy i Hanà, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin’ny Tompo izao vavaka
11
sy voady izao: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin’ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.»
12
Raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’ny TOMPO i Hanà, dia nodinihin’i Helỳ ny vavany;
13
nivavaka am-po izy, ka ny molony ihany no hita mihetsiketsika, fa tsy re akory izay feony. I Helỳ kosa efa nihevitra azy ho mamo,
14
ka nanao taminy hoe: –Mbola haharitra ve ny fahamamoanao? Ndeha ampisindao aloha izany!
15
Dia novalian’i Hanà hoe: –Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny TOMPO aho.
16
Aza heverinao ho toy ny vehivavy ratsy fanahy aho; fa raha nivavaka ela aho, dia satria efa tsy tantiko intsony ny alahelom-poko sy ny fahoriam-panahiko.
17
Dia hoy i Helỳ hoe: –Mandehana amim-piadanana, ary homen’ilay Andriamanitr’i Israely anao anie izay nangatahinao taminy!
18
Ary niteny indray i Hanà hoe: –Ho tsara fo amiko hatrany anie ianao! Dia lasa i Hanà ary nihinan-kanina, ka mirana endrika tsy toy ny teo aloha.
19
Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin’ny TOMPO i Elkanà sy ny fianakaviany, dia nody tany Ramà. Ary i Elkanà niray tamin’i Hanà vadiny, ary nohenoin’ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy.
20
Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: –Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin’ny TOMPO izy.
21
Dia niakatra nankany Silao indray i Elkanà sy ny fianakaviany mba hanao ny sorona fanao isan-taona amin’ny TOMPO ary hanefa ny voadiny.
22
Tsy niaraka tamin’ny vadiny i Hanà tamin’ity indray maka ity; fa hoy izy taminy: «Aoka aloha hisara-nono ny zaza, vao hoentiko hiseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary dia hitoetra eo mandrakizay izy.»
23
Ary namaly azy i Elkanà hoe: «Tsara izany, ataovy izay fantatrao fa mety; mijanòna ihany àry atỳ mandra-pisara-nono ny zaza. Hotanterahin’ny TOMPO anie ny fampanantenainy!» Dia nijanona tao Ramà nampinono ny zanany i Hanà mandra-pisara-nono azy.
24
Ary rehefa nisara-nono ny zaza, dia nentiny nankany an- tranon’ny TOMPO tao Silao, na dia mbola vao mena vava aza. Ireto no nentin’izy mivady niaraka tamin’ny zaza: vantotr’ombilahy telo taona sy lafarinina iray gony ary divay eran’ny siny hoditra.
25
Novonoiny natao sorona ilay vantotr’omby, ary nentiny tany amin’i Helỳ ny zaza.
26
Dia hoy i Hanà tamin’i Helỳ: –Azafady tompoko, tsaroanao ve ilay vehivavy nitsangana teto indray andro tsy lavitra anao akory, ary nivavaka tamin’ny TOMPO? Raha marina fa velona koa ny ainao, dia izaho izy.
27
Ny hananako ity zaza ity no nivavahako; ary dia nomen’ny TOMPO ahy izay nangatahiko taminy.
28
Koa anjarako kosa ny manolotra azy ho an’ny TOMPO; eny, mandritra ny androny rehetra, dia ho an’ny TOMPO izy. Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy mianakavy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31