bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 6
1 Samuel 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 7 →
1
Tany amin’ny tanin’ny Filistinina nandritra ny fito volana ny Vatamasin’ny TOMPO.
2
Farany dia nampaka ireo mpisorony sy mpimasiny ny Filistinina ka nanontany azy hoe: –Hataonay ahoana ny Vatamasin’ny TOMPO? Ambarao anay izay fomba hamerenana azy any amin’ny toerany.
3
Dia hoy ireo namaly: –Raha hamerina ilay Vatamasin’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, dia aza averina foana amin’izao, fa tsy maintsy hanateranareo fanonerana Izy; dia ho sitrana ianareo ary ho fantatrareo ny anton’ny namelezan’io Andriamanitra io anareo tamin’ny heriny.
4
Hoy kosa ny Filistinina hoe: –Fa inona àry no fanonerana haterinay aminy? Dia hoy ny navalin’ny mpisorona sy ny mpimasy: –Araka izay isan’ireo andriana filohan’ny Filistinina, dia mba anatero sarin-kitso volamena dimy sy totozy volamena dimy; fa aretina iray ihany no mahazo anareo rehetra mbamin’ny filohanareo.
5
Koa manaova sarin’ny kitsonareo sy sarin’ny totozy mpandevona ny taninareo ary atolory izany ho fanomezam- boninahitra ny Andriamanitr’i Israely. Angamba mba hitsahatra tsy hanampatra ny heriny aminareo sy amin’ny andriamanitrareo ary amin’ny taninareo Izy.
6
Nahoana no hihamafy fo tahaka ny Ejiptianina sy ny Farao ianareo? Tsarovy tsara ny nanaovan’Andriamanitra azy ireo ka nahatonga azy hamela ny vahoaka handeha, ka dia lasa izy.
7
Koa manamboara sarety vaovao, dia makà ombivavy roa mitaiza sady tsy mbola nitondra zioga, ka rohizo amin’ny sarety, ary dia saraho aminy ho any am-balany ireo zanany.
8
Halainareo ny Vatamasin’ny TOMPO, dia apetraho eo ambony sarety; hataonareo anaty vata kely eo anilany ireo sarin-javatra volamena izay aterinareo ho fanonerana amin’Andriamanitra. Avy eo dia alefaso izy handeha.
9
Ho hitanareo tsara fa raha mihazo ny lalana mankany amin’ny tanin’i Israely ka mizotra ho any Bèty-Semesy ireo ombivavy, dia midika izany fa ny Andriamanitry ny Israely no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa kisendrasendra ihany fa tsy ny heriny akory no namely antsika.
10
Dia araka izany no nataon’ny Filistinina. Naka ombivavy roa mitaiza izy, dia norohizany tamin’ny sarety; ary ny zanany nohidiany tao am-bala.
11
Napetrany teo ambony sarety ny Vatamasin’ny TOMPO sy ny vata kely misy ny totozy volamena sy ny sarin-kitso.
12
Avy hatrany dia nihazo ny lalana mankany Bèty-Semesy ireo ombivavy; ka sady nandeha tamin’izany izy no tsy nitsaha-nimamà, ary tsy nivilivily niankavanana na niankavia. Ary ireo filohan’ny Filistinina nanaraka ny sarety hatrany amin’ny fizaran-tanin’i Bèty-Semesy.
13
Tamin’izay ny mponina tao Bèty-Semesy dia nijinja varim-bazaha tany an-dohasaha. Nahatazana ny Vatamasina izy ireo ka dibo-kafaliana nahita azy.
14
Tonga tao an-tsahan’i Josoa, lehilahy avy ao Bèty-Semesy, ny Vatamasina ka nijanona teo akaikin’ny vato lehibe iray. Novakîna madinika ny hazon-tsarety, ary natao sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO ireo ombivavy.
15
Nampidinin’ny Levita ny Vatamasin’ny TOMPO sy ny vata kely nisy ireo sarin-javatra volamena niaraka taminy, ary dia samy napetrany teo ambonin’ilay vato lehibe. Tamin’io andro io ihany dia nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ho an’ny TOMPO ny olona tao Bèty-Semesy.
16
Tamin’io andro io koa, rehefa nahita izany ireo andriana dimy filohan’i Filistinina, dia niverina nankany Hekrôna.
17
Toy izao ny amin’ireo kitso volamena izay naterin’ny Filistinina amin’ny TOMPO ho fanonerana: iray ho an’i Asdôda, iray ho an’i Gazà, iray ho an’i Askelôna, iray ho an’i Gata ary iray ho an’i Hekrôna.
18
Ireo totozy volamena kosa dia natao araka ny isan’ny tanàna filistinina rehetra nentin’ireo filoha dimy, manomboka amin’ny tanànamimanda ka hatramin’ny tanàna kely eny ambanivohitra. Ny vato lehibe nametrahana ny Vatamasin’ny TOMPO no vavolombelon’izany; mandraka androany io vato io mbola ao an-tsahan’i Josoà, lehilahy avy any Betỳ-Semesy.
19
Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.
20
Ary hoy ny mponin’i Betỳ-Semesy: –Iza no hahajanona eo anatrehan’io TOMPO Andriamanitra Masina io? Ary aiza no hampiakarantsika ny Vatamasiny hanalavitra antsika?
21
Dia nandefa iraka ho any amin’ny mponin’i Kiriata-Jeharîma izy ireo mba hilaza aminy hoe: –Naverin’ny Filistinina ilay Vatamasin’ny TOMPO, koa tongava ianareo hampiakatra azy ho any aminareo.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31