bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 26
1 Samuel 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
1
Tonga tao amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa, ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao ve fa miery any amin’ny havoanan’i Hakilà, tandrifin’ny faritra be lobolobo i Davida!
2
Dia nidina nankany an-taniefitr’i Zifa i Saoly nitondra miaramila telo arivo voafantina tamin’i Israely mba hitady an’i Davida any.
3
Nitoby teo amoron-dalana i Saoly tao amin’ny havoanan’i Hakilà izay tandrifin’ny faritra be lobolobo. I Davida izay nitoetra tany an-taniefitra kosa dia nahafantatra fa tonga hanenjika azy any i Saoly.
4
Naniraka mpitsikilo manko i Davida ka nahazo antoka ny fahatongavan’i Saoly.
5
Dia nankany amin’izay nitobian’i Saoly i Davida ka nahita ny toerana marina izay nandrian’i Saoly sy i Abinera zanakalahin’i Nera lehiben’ny tafika; natory tao afovoan’ny toby i Saoly, fa ny miaramilany kosa nitoby nanodidina azy.
6
Dia niteny i Davida ka nangataka tamin’i Ahimelèka izay Hetita sy tamin’i Abisay zanak’i Tseroià sy rahalahin’i Jôaba hoe: –Iza aminareo roa lahy no hiaraka amiko ho any amin’ny tobin’i Saoly? Dia namaly i Abisay hoe: –Izaho no hiaraka aminao.
7
Nony alina dia tonga teo amin’ny toby i Davida sy i Abisay ary indro i Saoly fa nandry resin-tory teo afovoan’ny toby, ny lefony kosa nitsatoka tamin’ny tany teo akaikin’ny lohany. Ry Abinera sy ny miaramilany dia nandry nanodidina azy.
8
Ka hoy i Abisay tamin’i Davida: –Anio no anoloran’Andriamanitra ny fahavalonao ho eo am-pelatananao; koa aoka holefoniko indray mandeha monja hifantsika amin’ny tany izy fa tsy indroa akory.
9
Fa hoy kosa i Davida tamin’i Abisay: –Tsia, aza mamono azy. Moa ataonao ho afa-maina izay mitady ny ain’ilay voahosotry ny TOMPO ka tsy hofaizina?
10
Velona ny TOMPO ka milaza marina aminao aho fa ny TOMPO irery ihany no hanapitra ny androny, na amin’ny fahafatesana tsotra izany, na vokatry ny ady.
11
Fa sanatriaviko eto anatrehan’ny TOMPO kosa ny handatsaka ny ain’ilay voahosotry ny TOMPO. Ny lefona akaikin’ny lohany sy ny siny fitoeran-dranony ihany no alaina, dia aoka isika handeha!
12
Nalain’i Davida ny lefona sy ny siny teo akaikin’ny lohan’i Saoly, dia lasa izy ireo. Tsy nisy olona nahatsiaro ka nahita na nahafantatra; fa natory ny besinimaro, satria nahasondrian-tory azy ireo ny TOMPO.
13
Niampita terỳ an-dafin’ny lohasaha i Davida, ka nijanona teo an-tampon-tendrombohitra; lavidavitra ihany ny elanelan’izy roa tonta.
14
Dia niantso ny tafika sy i Abinera zanakalahin’i Nera i Davida hoe: –Ry Abinera! Mandre ahy ve ianao? Fa novalian’i Abinera hoe: –Zovy moa izao miantsoantso mankarenina ny sofin’ny mpanjaka izao?
15
Dia hoy indray i Davida tamin’i Abinera: –Moa ve tsy lehilahy mahery ianao, fa tsy misy tahaka anao amin’i Israely? Koa nahoana ianao no tsy miambina tsara ny mpanjaka tomponao? Fa nisy tamin’ny vahoaka tonga hamono azy.
16
Velona ny TOMPO, ka hizingiziniko fa ratsy izany nataonao izany. Mendrika ny ho faty ianareo rehetra satria tsy niambina ny tomponareo, dia ilay voahosotry ny TOMPO. Jereo ange: aiza ireo lefona sy siny fitoeran-drano teo akaikin’ny lohan’ny mpanjaka?
17
Fantatr’i Saoly ny feon’i Davida, ka hoy izy hoe: –Ny feonao ve izany reko izany, ry Davida zanako? Dia hoy ny navalin’i Davida azy: –Eny, ry mpanjaka, ny feoko tokoa izany.
18
Ary hoy koa izy hoe: –Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia manenjika ahy mpanomponao? Fa inona loatra no nataoko ary inona no ratsy vitako?
19
Ary ankehitriny, aoka ianao, ry mpanjaka tompoko, hihaino izay holazaiko aminao: raha ny TOMPO no manosika anao hanao izany amiko, aoka hampitony Azy ny sorona aterina aminy; fa raha olombelona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO izy satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ny tany nomen’ny TOMPO ka toy ny manao amiko hoe: «Mandehana manompo andriamani-kafa.»
20
Ary ankehitriny, aoka aho tsy ho faty lavitra ny fanatrehan’ny TOMPO! Fa nahoana ianao, ry mpanjakan’i Israely, no niainga hiantafika mba mitady izay parasy iray tahaka ahy, nahoana ianao no manenjika ahy toy ny fanenjika tsipoy iray eny an-tendrombohitra?
21
Hoy kosa i Saoly hoe: –Nanota tokoa aho, koa miverena, ry Davida zanako; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nitondra tena toy ny adala aho, ka mahatsiaro ho diso tokoa.
22
Dia namaly i Davida hoe: –Intỳ ny lefonao, ry mpanjaka, koa aoka ny anankiray amin’ny mpanomponao mba haka azy etỳ!
23
Ny TOMPO anie hanao amintsika tsirairay araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany! Ny TOMPO no efa nanolotra anao ho eo an-tanako androany, nefa tsy nety nikasi-tanana anao aho, satria voahosotry ny TOMPO ianao.
24
Koa tahaka ny nahasarobidy tamiko ny ainao, no enga anie hahasarobidy ny aiko amin’ny TOMPO ka hanafahany ahy amin’ny fahoriana isan-karazany.
25
Ary hoy i Saoly tamin’i Davida: – Hitahy anao anie ny Tompo, ry Davida zanako! Eny, hahomby avokoa ny zava-dehibe izay hataonao. Dia lasa nanohy ny diany i Davida, fa i Saoly kosa niverina nody.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31