bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 30
1 Samuel 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
1
Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin’ny Hamalekita ny atsimon’i Joda sy i Tsiklaga, noravan’izy ireo sy nodorany ny tanàna.
2
Nobaboin’izy ireo ny vehivavy mbamin’izay rehetra tao an-tanàna na kely na lehibe, nefa tsy nisy novonoiny na iray aza, fa nentiny avokoa ary dia notohiziny ny diany.
3
Rehefa tonga i Davida sy ny olony, dia nahita fa nisy nandoro ny tanàna, ary nisy nitondra ireo vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
4
Dia nanala ny fony nitomany i Davida sy ireo mpanaraka azy mandra-pahatankin’ny ranomasony.
5
Voasambotra koa ireo vadin’i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehèla sy i Abigaîla vadin’i Nabala avy any Karmela.
6
Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.
7
Ka hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona sady zanakalahin’i Ahimeleka: –Ento atỳ amiko ny efôda fanontaniana ny Tompo, azafady. Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda.
8
Ary nanontany tamin’ny TOMPO i Davida hoe: –Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko? Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy: –Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.
9
Dia niainga i Davida sy ny namany eninjato lahy. Rehefa tonga teo amin’ny riakan’i Besôra izy ireo, dia nijanona ny roanjato lahy
10
satria reraka loatra ka tsy afa-niampita; fa i Davida sy ny efajato lahy no nanohy ny fanenjehana ireo Hamalekita.
11
Teny an-tsaha teny ireo miaramila dia nahita tovolahy Ejiptianina ka nentiny tany amin’i Davida. Nomena mofo izy hohaniny, ary rano hosotroiny.
12
Dia nomena didina mofomamin’aviavimbazaha sy sampahom-boaloboka maina roa. Rehefa avy nihinana ireo izy, dia nihanahazo hery, satria efa tsy nihinan-kanina nandritra ny telo andro sy telo alina.
13
Dia nanontany azy i Davida hoe: –An’iza moa ianao, ary mba avy taiza? Ka novaliany hoe: –Tovolahy ejiptianina aho ary mpanompon’ny Hamalekita iray. Nilaozan’ny tompoko aho afak’omaly satria narary.
14
Talohan’izao dia nanafika ny faritra atsimo amin’ny Keretita sy ny an’i Joda ary ny an’i Kalebita izahay. Ary nodoranay ny tanànan’i Tsiklaga.
15
Ary hoy i Davida taminy: –Azonao entina any amin’izany andian-tontakely izany ve aho? Dia hoy ny navaliny azy: –Raha mianiana amiko eto anatrehan’Andriamanitra ianao fa tsy hahafaty ahy, na hanolotra ahy amin’ny tompoko, dia hitondra anao eo amin’izany andian-tontakely izany aho.
16
Dia nentin’ilay tovolahy ejiptianina tany amin’ny Hamalekita i Davida. Ary ny Hamalekita efa niparitaka nanerana ny faritany, ka nihinana sy nisotro ary nanao lanonana fa nahazo harem-be tany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny tanin’i Joda.
17
Namely azy ireo vao mangiran-dratsy i Davida mandra-paharivan’ny andro manaraka. Tsy nisy niangana na iray aza afa-tsy tovolahy efajato izay afa-nandositra nitaingin-drameva.
18
Avotr’i Davida avokoa izay rehetra lasan’ny Hamalekita. Navotany manokana ireo vadiny roa.
19
Tsy nisy tsy azony na kely na lehibe hatramin’ny zazalahy sy ny zazavavy ary ny harem-be, dia izay rehetra nobaboin’ny fahavalo. Tafaverin’i Davida avokoa izany.
20
Nalain’i Davida koa ny biby fiompy rehetra na kely na lehibe. Ary nandeha teo alohan’ireo biby ireo ny mpitarika azy ka niantsoantso hoe: «Itony no azon’i Davida!»
21
Ary i Davida niverina tany amin’ny roanjato lahy izay efa reraka tsy afa-nanaraka azy ka nijanona teo amin’ny ranon-driakan’i Besôra. Niainga izy ireo hitsena an’i Davida sy ny mpanaraka azy. Dia nanatona azy ry Davida ka niarahaba azy.
22
Fa ireo ratsy fanahy sy faikan’olona tamin’izay nanaraka an’i Davida dia samy niteny hoe: –Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy omentsika amin’ny babo izay azontsika afa-tsy ny vady aman-janak’izy ireo ihany; aoka hoentiny any ireo dia, avelao izy handeha.
23
Fa hoy i Davida hoe: –Ry rahalahy, aza mba manao izany amin’izay nomen’ny TOMPO antsika; Izy no niaro antsika sady nanolotra ho eo am-pelatanantsika ny andian-tontakely izay tonga namely antsika.
24
Koa iza no hihaino anareo amin’izany hevitrareo izany? Tsia, «fa mitovy ihany ny anjaran’izay nidina hiady sy izay nijanona niandry entana: hiarahan’ny roa tonta mizara ireo.»
25
Nanomboka tamin’io andro io, dia nataon’i Davida lalàna sy fomba ho an’i Israely izany ary mbola arahina mandraka androany.
26
Rehefa tafaverina tany Tsiklaga i Davida, dia nandefasany anjara tamin’ny babo ireo loholon ’i Joda sakaizany, ka nataony hoe: «Iny fanomezana ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’ny TOMPO.»
27
Nandefasany koa ireo loholon’i Betela sy i Ramôta-Negeba ary i Jatira,
28
ireo loholon’i Harôhera, sy i Sifmôta ary i Estemôa,
29
ireo loholon’i Rakala sy ny tanànan’ny Jerahimelita ary ny Kenita,
30
ireo loholon’i Hôrmà sy i Bôra-Hasàna ary i Hatàka,
31
ireo loholon’i Hebrôna ary ireo izay any amin’ny toerana rehetra nodiavin’i Davida sy ny olony.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31