bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 11
1 Samuel 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
1
Tonga nanafika ny tanànan’i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan’ny Hamônita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin’i Jabesy taminy: –Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.
2
Fa hoy ny navalin’i Nahasy azy: –Sitrako ny hanao fanekena aminareo raha toa ka hopotseriko avokoa ny masonareo ankavanana; fa ny hahafa-baràka an’i Israely manontolo mihitsy no tadiaviko.
3
Hoy kosa ireo loholon ’i Jabesy taminy: –Omeo fito andro izahay hahafahanay mandefa iraka manerana ny faritanin’i Israely; fa raha tsy misy mamonjy anay, dia hitolo-batana aminao izahay.
4
Rehefa tonga tany Gibehà tanànan’i Saoly ireo iraka ka nitantara ny vaovao misy, dia samy nigogogogo nitomany ny vahoaka rehetra.
5
Tamin’izay indrindra no tonga avy any an-tsaha niroaka ny ombiny i Saoly, ka nanontany izay anton-javatra nampitomany ny olona. Dia nitaterana izay voalazan’ny iraka avy any Jabesy izy.
6
Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy.
7
Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin’ireo iraka manerana ny faritan’i Israely, miaraka amin’izao fampitandremana hoe: –Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin’izay tsy manaraka an’i Saoly sy i Samoela hiady! Azon-korohoro ny amin’izay mety hataon’ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany.
8
Nampanaovin’i Saoly matso tao Bezeka izy ireo, dia noisainy ka nahatratra andiany telonjato ny avy amin’ireo foko tavaratra ary andiany telopolo ny avy amin’ny fokon’i Joda.
9
Ireo iraka avy any Jabesy Gilehàda kosa dia nasaina nilaza tamin’ny mponina any aminy hoe: «Rahampitso rehefa antoandrobenanahary iny, dia ho voavonjy ianareo» Dia lasa ny iraka nanambara izany vaovao izany tamin’ny mponin’i Jabesy, izay faly aoka izany
10
sady niteny tamin’ny Hamônita hoe: –Rahampitso dia hitolo-batana aminareo izahay ka ataovy aminay izay tianareo hatao.
11
Ny ampitso dia nozarain’i Saoly ho antoko telo ny tafiny izay niditra tao amin’ny tobin’ny fahavalo talohan’ny madiva haraina ary namely ny Hamônita hatramin’ny mitataovovonana. Ny sisa tsy maty dia niparitaka tsy afa niara-droa akory.
12
Ary hoy ny vahoaka israelita tamin’i Samoela: –Aiza moa ireo olona nilaza fa tsy tokony hanjaka aminay i Saoly? Atolory anay ireny fa hataonay maty tokoa!
13
Fa hoy kosa i Saoly hoe: –Tsy tokony hisy olona hovonoina ho faty amin’ny andro toy izao, satria androany no nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’i Israely.
14
Dia hoy i Samoela tamin’ny vahoaka israelita: –Andeha isika hankany Gilgàla hanamafy orina ny maha mpanjaka an’i Saoly.
15
Dia lasa nankany Gilgàla ny vahoaka rehetra. Ary tany, tao amin’ny Toeramasina, no nanambarana ampahibemaso indray teo anatrehan’ny TOMPO, ny maha mpanjaka an’i Saoly; tany koa no nanaovany sorom-pihavanana amin’ny TOMPO. Ary dia nifaly aoka izany i Saoly sy ny mponina rehetra tao Israely.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31