bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 31
1 Samuel 31
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
1
Ary niady tamin’i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitr’i Gilbôa.
2
Nilofo nanenjika an’i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina ka nahafaty an’i Jônatàna sy i Abinadaba ary i Melkisa, izay samy zanakalahin’i Saoly.
3
Nanindry an’i Saoly ny fanafihana ka sendra ny mpandefa tsipîka izy, ary natahotra mafy azy.
4
Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Raiso ny sabatrao ka trobaro aho, fandrao ireo mpanompo sampy ireo indray no ho avy hitrobaka ahy, ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain’i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.
5
Ary rehefa hitan’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany, ka niara-maty taminy izy.
6
Andro iray ihany izany no nahafatesan’i Saoly mbamin’ireo zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fitaovam-piadiany ary ny miaramilany rehetra.
7
Rehefa hitan’ny Israelita izay teny an-dafy andrefan’ny lohasaha sy teny an-dafy andrefan’i Jôrdàna fa nandositra ny tafik’i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanàna izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.
8
Ny ampitso, nony tonga ny Filistinina haka ny zavatra teny amin’ny faty, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany telo lahy nitsitra teo an-tendrombohitr’i Gilbôa.
9
Notapahiny ny lohan’i Saoly sady nalainy ny fiadiany ka nalefany hitety ny tanin’ny Filistinina hanambaràna izany vaovao izany ao amin’ny Tempolin-tsampiny sy amin’ny vahoaka.
10
Avy eo dia napetrany tao an-tempolin’ny Hastôreta ny fitaovam-piadian’i Saoly; ary ny fatiny nahantony teo amin’ny mandan’i Bety-Seana.
11
Rehefa ren’ny mponin’i Jabesy-Gilehada ny nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly,
12
dia niainga ny lehilahy maherifo rehetra ka nanao lava alina naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin-janany teo amin’ny mandan’i Bety-Seana. Nony tafaverina tany Jabesy izy ireo, dia nodorany ny faty.
13
Nangoniny ny taolambalony ka naleviny tao ambanin’ilay hazo tamariska tao Jabesy; ary nifady hanina nandritra ny fito andro ny olona mba ho fisaonana.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31