bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 7
1 Samuel 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
1
Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.
2
Hatramin’ny nitoeran’ny Vatamasin’ny TOMPO tany Kiriata-Jeharîma, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin’ny TOMPO ny Israelita rehetra
3
ka nilazan’i Samoela hoe: –Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.
4
Dia narian’ny Israelita ireo sampin’ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta, ka ny TOMPO no hany notompoiny.
5
Avy eo dia hoy i Samoela hoe: –Aoka ho vory any Mitsepà ny vahoaka Israely tsivakivolo, fa izaho hivavaka amin’ny TOMPO ho azy.
6
Dia tafangona tao Mitsepà ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin’ny tany teo anatrehan’ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin’izany andro izany sady niaiky heloka hoe: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay.» Tao Mitsepà no nahatonga an’i Samoela ho filohan’ny vahoaka Israely.
7
Rehefa fantatry ny Filistinina fa nivory tany Mitsepà ny Israelita, dia tapa-kevitra ireo andriana dimy filohan’ny Filistinina fa hanafika azy. Nony ren’ny Israelita izany, dia natahotra ny Filistinina izy,
8
ka nanao tamin’i Samoela hoe: –Aza arianao izahay, fa mivavaha amin’ny TOMPO Andriamanitsika ho anay, mba hamonjeny anay tsy ho voagejan’ny Filistinina.
9
Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO; dia nitalaho tamin’ny TOMPO ho an’ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.
10
Fa raha mbola nanatitra ilay sorona i Samoela, dia nandroso hanafika an’i Israely kosa ny Filistinina. Tamin’izay indrindra anefa ny TOMPO no nampirefotra kotro-baratra tamin’ny miaramila filistinina sy nampifanaritaka azy, ka resin’ny Israelita izy ireo.
11
Niala tao Mitsepà ny tafik’i Israely ka nanenjika ny Filistinina hatrany ambanin’ny Bety-Kàra mandra-pandresiny azy tanteraka.
12
Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan’i Mitsepà sy i Sèna izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na «Vatom-pamonjena», fa hoy izy hoe: «Efa namonjy antsika hatretỳ ny TOMPO.»
13
Menatra ny fahareseny loatra ny Filistinina, ka tsy sahy nitsofoka ny faritanin’i Israely intsony, satria ny TOMPO naneho ny heriny tamin’izy ireo nandritra ny andro rehetra niainan’i Samoela.
14
Ary ireo tanàna izay nalain’ny Filistinina tamin’ny Israelita, teo anelanelan’i Hekrôna sy Gata, dia tafaverina soa aman-tsara tamin’ny Israelita; koa afaka teo an-tanan’ny Filistinina izany faritra izany. Ary dia nisy koa ny fandriampahalemana teo amin’ny Israelita sy ny Amôrita.
15
I Samoela no filohan’ny vahoaka Israely mandra-pahafatiny.
16
Isan-taona izy dia nandeha nitety an’i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepà ka nitsara tamin’ireo tanàna telo ireo.
17
Rehefa izany, dia niverina nody tany Ramà izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an’ny TOMPO.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31