bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 25
1 Samuel 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
1
Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.
2
Tao amin’ny tanàna Mahôna dia nisy lehilahy iray nikarakara ny fananany tao Karmela. Mpanefoefo izany olona izany, fa nanana ondry telo arivo sy osy arivo. Tonga tao Karmela izy hanatrika ny fanetezana ny ondry aman’osiny.
3
I Nabala no anaran’izany lehilahy izany, ary i Abigaîla kosa ny vadiny. Ramatoa dia hendry no tsara tarehy, fa rangahy kosa lozabe sady ratsy fanahy. Avy amin’ny taranak’i Kaleba io Nabala io.
4
Tany an-taniefitra, rehefa ren’i Davida fa nampanety ireo ondriny i Nabala,
5
dia naniraka tanora folo lahy izy nohafarany hoe: –Miakara any Karmela, dia mankanesa ao amin’i Nabala mitondra fiarahabana ho azy amin’ny anarako.
6
Izao no holazainareo aminy: «Ho taom-pahombiazana anie ity taona ity ho anao! Fiadanana anie ho aminao sy ho amin’ny fianakavianao ary ho amin’izay anananao rehetra!
7
Ren’i Davida fa fanetezam-bolon’ondry ankehitriny eto aminao. Nandritra ny fotoana rehetra naha tany Karmela ny mpiandry ondrinao izay niaraka taminay, dia tsy nisy ratsy nataonay taminy ary tsy very na inona na inona koa izy ireo.
8
Anontanio ny mpiandry ondrinao fa afaka hanamarina izany aminao. Koa miangavy i Davida ny hanehoanao fitiavana aminay, satria tonga amin’ny andro fety izahay. Ary mba omeo izay azonao omena ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»
9
Rehefa tonga tany Karmela ireo tovolahy nalefan’i Davida, dia naveriny tamin’i Nabala izany teny rehetra izany tamin’ny anaran’i Davida, ary dia niandry izy ireo.
10
Nefa namaly ireo mpanompon’i Davida i Nabala hoe: –I Davida zanakalahin’i Jisay hoe? Iza moa izany? Maro ankehitriny ireo mpanompo izay mitsoaka mandositra ny tompony.
11
Ary haka amin’ny mofo sy ny rano ary ny hena izay efa nomaniko ho an’ny mpanety ondriko ve aho, ka hanome izany ho an’olona izay tsy fantatra fiaviana akory!
12
Nitodi-doha niverina ireo mpanompon’i Davida; ka nony tonga izy ireo, dia nitatitra izany rehetra izany tamin’i Davida.
13
Ary hoy i Davida taminy: –Fehezo avokoa ny sabatrareo! Dia samy namehy ny sabany avy ny tsirairay; ary mba namehy ny azy koa i Davida. Vatan-dehilahy tokony ho efajato no niara-niakatra tamin’i Davida, fa ny roanjato kosa nijanona teo amin’ny entana.
14
Fa ny iray tamin’ny mpanompon’i Nabala nampandre an’i Abigaîla vadiny hoe: –Indro nandefa iraka avy any an-taniefitra i Davida mba hiarahaba ny tompontsika, kanjo dia levilevy no nandraisany azy ireo.
15
Ireo olona ireo anefa dia tena tsara tokoa taminay. tsy nisy ratsy nataony taminay ary tsy very na inona na inona izahay nandritra ny fifaneraseranay taminy, fony mbola tany an-tsaha izahay.
16
Izy ireo no toy ny manda fiarovana ho anay andro aman’alina tamin’ny andro rehetra niandrasanay ondry teo aminy.
17
Koa diniho sy eritrereto tsara izay tokony hataonao, fa hianjera amin’ny tompontsika sy ny fianakaviany ny loza. Fa ratsy fanahy tokoa i Nabala iny ka tsy azo ifampiresahana akory.
18
Nilomay i Abigaîla naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin’aviavy roanjato. Nakariny teo an-damosin’ireo borikiny izany,
19
ka hoy izy tamin’ny mpanompony: –Mandehana eo alohako, fa harahiko ianareo. Tsy niteny na inona na inona tamin’i Nabala vadiny anefa i Abigaîla.
20
Raha nitaingina ny borikiny nidina ny toerana takon’ny havoana izy, dia indro nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanehatra taminy.
21
Fa i Davida efa niteny anakampo hoe: «Tsy misy vokany ny niarovako ny fananan’ilehiny tany an-taniefitra mba tsy hisy ho very, fa dia novaliany ratsy ny soa nataoko taminy.
22
Hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie aho raha toa mbola hasiako miangana na dia lehilahy iray aza amin’ny fianakavian’i Nabala, hatramin’ny rahampitso maraina!»
23
Raha vao nahita an’i Davida i Abigaîla, dia nialany faingana ny borikiny, ka niondrika teo anatrehan’i Davida izy
24
ary niantoraka teo an-tongony sady nanao hoe: –Aoka, tompoko, ho ahy dia ho ahy ny fahadisoana! Fa mba avelao aho mpanomponao hiteny kely aminao, koa henoy izay holazaiko.
25
Aza miraharaha an’i Nabala ianao, fa olona adala tsy misy antony iny, dia araka ny anarany ihany hoe Nabala-Adala; eny, olona adala lozabe izy. Fa izaho kosa, tompoko, tsy mba nahita ireo tovolahy izay nirahinao.
26
Kanefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka dia Izy TOMPO mihitsy no efa niaro anao tsy handatsa-dra sy tsy haninji-tanana hamalifaty. Enga anie, tompoko, hanjo ny fahavalonao sy izay te hanisy ratsy anao ny nanjo an’i Nabala.
27
Ankehitriny aoka ireto fanomezana entiko ho anao ireto mba hozaraina amin’ireo tovolahy miaraka aminao.
28
Mifona aminao aho, tompoko, mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao, fa hampaharitra tokoa ny fanjakanao sy ny an’ny taranakao ny TOMPO satria ny adin’ny TOMPO no imasoanao, ary tsy hisy ratsy hanimba anao amin’ny andro rehetra iainanao.
29
Raha misy olona milofo hanenjika anao, tompoko, ka mitady hahafaty anao, dia ny TOMPO Andriamanitrao hiaro mandrakariva ny ainao eo anilany, fa ny ain’ny fahavalonao kosa hatorany lavitra, toy ny atoraka amin’ny antsamotady.
30
Rehefa tanteraky ny TOMPO aminao ny soa rehetra nampanantenainy ka voatsangany ho filohan’i Israely ianao,
31
dia aoka tsy harahin’alahelo na nenina ianao satria hoe nahalatsa-dra amin’ny antony ka nanao fitsaran-tenany. Mba tsarovy aho mpanomponao, tompoko, rehefa manisy soa anao ny TOMPO!
32
Dia hoy i Davida tamin’i Abigaîla: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33
Misaotra anao koa aho noho ny fahendrenao, dia ianao izay niaro ahy tsy handatsa-dra tsy amin’antony sy hanao fitsaran-tenany.
34
Nefa velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely Izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, ka Izy no ianianako aminao fa raha tsy tonga faingana nihaona tamiko ianao, dia ho tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza tamin’ny fianakavian’i Nabala rahampitso vao maraina.
35
Noraisin’i Davida ireo zavatra nentin’i Abigaîla ho azy, ary hoy indray izy taminy: –Miverena soa aman-tsara any an-tranonao. Jereo fa efa nihaino ny feonao aho ary nanaiky ny fifonanao.
36
Ary i Abigaîla tonga tany amin’i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin’ny fanasan’ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon’i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon’i Abigaîla nambara taminy na kely aza mandra-paharainan’ny andro.
37
Ny ampitso maraina, rehefa afaka ny hamamoan’i Nabala, vao notantarain’ny vadiny taminy izay nitranga, ka voadona mafy ny fony, hany ka tsy nahahetsika toy ny vato izy.
38
Ary tokony ho folo andro taorian’izany, dia nasian’ny TOMPO indray i Nabala ka dia maty.
39
Rehefa ren’i Davida fa maty i Nabala, dia hoy izy hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Izay nomba ahy tamin’ny fanalam-baràka nataon’i Nabala, sy niaro ahy mpanompony tsy hanao ratsy ary nampitsingerina teo an-dohan’i Nabala ihany ny ratsy nafitsony. Rehefa izany, dia naniraka hankany amin’i Abigaîla i Davida mba haka azy ho vady.
40
Dia tonga tany amin’i Abigaîla tao Karmela ny mpanompon’i Davida, ka nilaza taminy hoe: –Nirahin’i Davida hankatỳ aminao izahay mba haka anao ho vadiny.
41
Dia nitsangana i Abigaîla ka niankohoka tamin’ny tany ary niteny hoe: –Ho mpanompon’i Davida aho, ka vonona hanasa ny tongotr’ireo mpanompony toy ny andevo.
42
Nitsangana faingana i Abigaîla, nitaingina ny borikiny, nombàn’ny mpanompony dimy, dia nanaraka ireo irak’i Davida, ary lasa vadiny.
43
Efa nanambady an’i Ahinôhama avy any Jizrehela koa i Davida, ka dia samy vadiny avokoa izy roa.
44
Fa i Saoly efa nanome ny zanany Mikàla, vadin’i Davida, ho vadin’i Paltỳ zanakalahin’i Laîsy avy any Galîma.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31