bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 13
1 Samuel 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
2
Nifantina miaramila telo arivo lahy tamin’ny Israelita i Saoly, ka ny roa arivo lahy dia teo ambany fifehezany tao Mikmasy sy tany an-tendrombohitr’i Betela, fa ny arivo lahy kosa dia nofehezin’i Jônatàna tao Gibehàn’i Benjamîna. Ary ny vahoaka sisa dia nasain’i Saoly nody any aminy avokoa.
3
Novonoin’i Jônatàna ho faty ny governora filistinina izay tao Gebà, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: «Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!»
4
Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin’i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran’ny Filistinina tamin’i Israely izany. Dia nivory nanaraka an’i Saoly tany Gilgala ny tafiny.
5
Ny Filistinina kosa tetsy an-danin’izany dia vory lanona mba hiady amin’i Israely: nanana kalesy telo alina sy mpitaingin-tsoavaly enina arivo, ary miaramila betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary tonga nitoby tao Mikmasy, atsinanan’i Bèty-Avena.
6
Rehefa hitan’ny Israelita fa tandidomin-doza izy, dia lasa ny olona niery tany anaty zohy, sy tany anaty kirihitra, tany amin’ny harambato sy tany ambanin’ny tany, ary tany an-dava-pantsakana.
7
Ny Hebreo sasany aza tafita an’i Jôrdàna mba hialokaloka any amin’ny tanin’i Gada sy i Gilehada. Mbola tany Gilgala i Saoly tamin’izay, ary rano an-dravina ny miaramila rehetra nanaraka azy.
8
Fito andro no niandrasany ny fe-potoana nomen’i Samoela, nefa i Samoela tsy tonga tany Gilgala. Nanomboka niparitaka nandao an’i Saoly ny miaramilany.
9
Koa nodidian’i Saoly hoentina eo aminy ny biby hatao sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana, ary dia ny tenany mihitsy no nanolotra ny sorona dorana manontolo.
10
Vao vita ny sorona nataony, dia tonga i Samoela; ary nanatona hitsena azy i Saoly mba hiarahaba azy.
11
Dia hoy i Samoela nanontany azy: –Fa inona no nataonao? Ka novalian’i Saoly hoe: –Rehefa hitako fa niparitaka nandao ahy ny miaramilako, ary ianao koa tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana, nefa ny Filistinina efa vory lanona tao Mikmasy,
12
dia noheveriko fa ankehitriny dia ho avy hanafika ahy atỳ Gilgàla ny Filistinina; nefa izaho ity tsy mbola nahazo ny fanambinan’ny TOMPO, koa dia ny tenako mihitsy no nandray andraikitra nanatitra ny sorona dorana manontolo.
13
Ary hoy i Samoela tamin’i Saoly: –Nanaonao foana tahaka ny olona adala ianao! Tsy notandremanao akory ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitrao anao. Fa raha mba nataonao anefa izany, dia ho nampanjakain’ny TOMPO mandrakizay tamin’i Israely ianao sy ny taranakao.
14
Ankehitriny kosa dia tsy haharitra ny fanjakanao. Ny TOMPO efa nifidy olona izay tiany ary nanendry azy ho filohan’ny vahoakany, satria ianao tsy nitandrina ny didiny.
15
Nandao an’i Gilgàla i Samoela ka nanohy ny diany. Ny miaramila sisa kosa nanaraka an’i Saoly, rehefa niala tao Gilgàla ity mpanjaka mba hanatona ireo miaramilany hafa tany Gibehàn’i Benjamîna. Noisain’i Saoly ny miaramila mbola tafaraka taminy, ka nisy lehilahy tokony ho eninjato eo ho eo.
16
Nitoby tao Gibehàn’i Benjamîna i Saoly sy ny zanany ary ireo miaramila niara-dia taminy, fa ny Filistinina kosa tao Mikmasy.
17
Indray andro dia nisy mpanao vy very ny ainy nivoaka avy tamin’ny tobin’ny Filistinina, ka nizara telo izy ireo. Ny andiany voalohany nihazo ny lalana mankany Hôfrà ao amin’ny faritr’i Sohala,
18
ny andiany faharoa ny mankany Bèty-Hôrôna, ary ny fahatelo ny mankany amin’ny sisin-tany dia ny lalana mandondona ny lohasahan’i Tsebôhima tandrifin’ny taniefitra.
19
Tamin’izany, dia tsy nahitana mpanefy teo amin’ny tanin’i Israely, satria natahotra ny Filistinina sao mahavita sabatra aman-defona ny Hebreo.
20
Noho izany dia samy nankany amin’ny Filistinina ny Israelita mba hanasa ny lelan’angadinombiny, ny lapikany sy ny famakiny ary ny angadiny.
21
Ny fanasana lelan’angadinomby na lapika, na famaky, na angady na ny fanindronan’omby dia mitentina androatokon’ny sekela volafotsy.
22
Koa tamin’ny andro nipoahan’ny ady dia tanam-polo no nentin’ny miaramila israelita; i Saoly sy i Jônatàna zanany ihany no mba nanana sabatra sy lefona.
23
Nisy andiana miaramila filistinina naka toerana teo amin’ny hadilalan’i Mikmasy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31