bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 12
1 Samuel 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
1
Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka israelita rehetra: –Indro efa nekeko avokoa izay rehetra nangatahinareo tamiko: nanendry mpanjaka hanjaka eo aminareo aho.
2
Ary ankehitriny dia ny mpanjaka no hitarika anareo fa efa antitra sy osa aho, ary indreo ny zanako fa efa lehibe toa anareo. Nitondra anareo efa hatramin’ny fahatanorako aho ka mandraka androany.
3
Inty ny tenako, omeo tsiny eto anatrehan’ny TOMPO sy ny mpanjaka voahosony, raha toa ka nisy ombin’olona na borikiny nangalariko, na koa nisy olona nambakaiko sy nampahoriko, na nisy olona nandraisako tsolotra ho tapi-maso aminy; fa vonona ny hanonitra izany aho.
4
Dia hoy ny navalin’ny Israelita: –Tsy nanambaka na nampahory anay ianao. Tsy nandray tsolotra na tamin’iza na tamin’iza koa ianao.
5
Hoy indray i Samoela tamin’izy ireo: –Ny TOMPO sy ny mpanjaka no vavolombelona anio fa tsy nisy zavatra hitanareo tamiko hanomezan-tsiny ny tenako. Dia hoy ny vahoaka teo hoe: –Eny, izy ireo no vavolombelona.
6
Ary hoy ihany i Samoela tamin’izy ireo: –Ny TOMPO no vavolombelona, dia Izy izay nifidy an’i Mosesy sy i Aharôna, ka nampiakatra ny razanareo hiala tany Ejipta.
7
Ary ankehitriny mitsangàna eto anatrehan’ny TOMPO, fa hambarako hitsara anareo ireo soa rehetra nataon’ny TOMPO taminareo sy ny razanareo.
8
Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakôba, dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an’i Mosesy sy i Aharôna IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin’ity tany ity.
9
Nefa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ny razanareo, koa izany no namelany an’i Siserà, jeneralin’ny tafik’i Hatsôra sy namelany ny Filistinina ary ny mpanjakan’i Môaba hiady aminy ka handresy azy.
10
Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»
11
Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.
12
Kanjo rehefa hitanareo fa avy hanafika anareo ny Nahasy mpanjakan’ny Hamônita, dia hoy ianareo tamiko: «Mila mpanjaka izahay!»; toy ny hoe tsy mpanjakanareo ny TOMPO Andriamanitra.
13
Koa indro ny mpanjaka izay nirinareo sy nangatahinareo hanjaka aminareo fa nomen’ny TOMPO anareo.
14
Raha manaja sy manompo ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, raha mankatò ny teniny sy mitandrina ny didiny, dia mbola hanaraka AZY ianareo sy ny mpanjaka izay hifehy anareo.
15
Fa raha tsy mankatò ny tenin’ny TOMPO sy tsy mitandrina ny didiny kosa ianareo, dia haneho ny heriny aminareo ny TOMPO, tahaka izay efa nataony fahiny tamin’ny razanareo.
16
Ary ankehitriny mivonòna ianareo hijery ny zava-mahagaga lehibe izay hataon’ny TOMPO eo imasonareo.
17
Tsy izao ve no fotoam-pijinjam-barim-bazaha? Hivavaka amin’ny TOMPO aho, dia hampikotroka ny andro sy hampilatsaka ny orana Izy; koa dia ho tsapanareo ny halehiben’ny ratsy vitanareo tamin’ny TOMPO raha nangataka mpanjaka ianareo.
18
Ary i Samoela nivavaka tamin’ny TOMPO, izay nampikotroka ny andro ary nampilatsaka ny orana androtriny ihany; ka nohajain’ny vahoaka rehetra tokoa ny Tompo sy i Samoela.
19
Dia hoy ny besinimaro tamin’i Samoela: –Ivavaho amin’ny TOMPO Andriamanitrao izahay mba tsy ho faty, fa fahotana maro no efa vitanay ankoatra ny fangatahanay mpanjaka ho anay.
20
Hoy kosa i Samoela taminy: –Aza matahotra. Marina fa nanao ireny ratsy isan-karazany ireny tokoa ianareo; kanefa aza miala amin’ny TOMPO intsony, fa manompoa AZY amin’ny fonareo manontolo.
21
Raha miala aminy ianareo, dia tsy maintsy manompo andriamani-tsiizy, izay tsy mahasoa na mahavonjy akory, satria zava-poana ihany.
22
Fa tsy handao anareo ny TOMPO noho ny fitandroany ny voninahiny, satria efa sitrany ny nanao anareo ho vahoakany.
23
Fa ny amiko kosa, dia sanatriaviko ny hanota amin’ny TOMPO ka hijanona tsy hivavaka ho anareo. Ary hatoroko anareo hatrany ny lalana tsara sy mahitsy.
24
Izao ihany no ataoko aminareo: hajao ny TOMPO ka tompoy marina amin’ny fonareo manontolo, ary tsarovy ny zava-dehibe izay nataony ho anareo.
25
Kanefa raha mbola mikiry manota ianareo, dia hiara-devona amin’ny mpanjakanareo.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31