bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 18
1 Samuel 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
1
Rehefa vita ny resak’i Saoly sy i Davida, dia voasinton’i Davida ny fon’i Jônatàna, fa tiany tahaka ny itiavany ny tenany i Davida.
2
Tamin’io andro io dia notazonin’i Saoly tao aminy i Davida fa tsy navelany nody tany amin-drainy.
3
Fa i Jônatàna kosa tia fatratra an’i Davida, ka nanao dinam-pisakaizana taminy.
4
Nalain’i Jônatàna ny akanjobe teny aminy, dia nomeny an’i Davida; natolony azy koa ny akanjo fentiny miady mbamin’ny sabany sy ny tsipîkany ary ny fehikibony.
5
Fa isaky ny misy fanafihana ampanaovin’i Saoly azy, dia fahombiazana hatrany no azon’i Davida, koa dia izy no nataon’i Saoly ho kômandin’ny miaramila mpanafika; ary nahafaly tokoa ny tafika manontolo sy ny manamboninahitry ny mpanjaka izany.
6
Tamin’ny fiverenan-dry Davida avy nahafaty an’ilay Filistinina, dia nivoaka hitsena an’i Saoly mpanjaka ny vehivavy avy tamin’ny tanàna israelita rehetra; nihira sy nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka sy ny zava-maneno hafa izy ireo, ary velona hobim-pifaliana.
7
Dia nibitaka ireo vehivavy sady nifamaly niredona hoe: «I Saoly nahafaty an’arivoarivo. fa i Davida kosa nahafaty an’alinalina.»
8
Nahatezitra mafy an’i Saoly izany tononkira izany, ka hoy izy anakampo hoe: «An’alinalina lahy no nomeny an’i Davida, fa an’arivoarivo fotsiny kosa no nomeny ahy! Angamba homeny azy koa ny fanjakana atsy ho atsy!»
9
Nanomboka tamin’io andro io, dia ratsy fijery an’i Davida izy.
10
Ny ampitso, dia nisy fanahy ratsy nalefan’Andriamanitra nilatsaka tamin’i Saoly, ka nampirediredy azy eran’ny trano. Toy ny fanaony dia nitendren’i Davida feon-kira tamin’ny harpa i Saoly izay efa nitana lefona.
11
Natorak’i Saoly ny lefona sady hoy izy hoe: «Hasiako hifantsika amin’ny rindrina i Davida.» Nefa indroa tsy nahavoa izay satria nahay niala hatrany i Davida.
12
Natahotra an’i Davida i Saoly, satria fantany fa nomba azy ny TOMPO, saingy ny tenany kosa efa nialany.
13
Izany no antony nampihatahany an’i Davida tsy ho eo aminy, ka nanaovany azy ho filohan’ny andian-tafika iray. Izy no nitarika ny miaramila niantafika,
14
ary fahombiazana hatrany no azon’i Davida tamin’izay rehetra nataony, satria nomba azy ny TOMPO.
15
Nitombo hatrany kosa ny tahotr’i Saoly, rehefa hitany ireo fahombiazana azon’i Davida.
16
Eo an-danin’izany anefa, ny Israelita sy ny Jodeanina dia samy tia an’i Davida avokoa, satria izy no nitarika azy isaka izay niantafika.
17
Hoy i Saoly anakampo hoe: «Aoka aho tsy haninona an’i Davida, fa avelao ny Filistinina no hamono azy!» Izany no nitenenany tamin’i Davida hoe: –Indro i Meràba zanako vavimatoa homeko ho vadinao, raha toa ka manompo ahy amin-kerim-po ianao, ary koa mazoto amin’ireo adin’ny TOMPO.
18
Ka hoy ny navalin’i Davida an’i Saoly: –Ry mpanjaka, iza moa aho ary zinona ny fiainako sy ny fianakaviamben’ny raiko, no ho tonga vinantonao aho?
19
Nefa tamin’ny fotoana izay tokony hanomezan’i Saoly an’i Meràba ho vadin’i Davida, no nanomezana azy indray ho vadin’i Hadriela avy any Mehôlà.
20
Fa i Mikàla zanakavavin’i Saoly iray kosa, raiki-pitia tamin’i Davida. Koa rehefa nambara tamin’i Saoly izany zavatra izany, dia nahafaly azy;
21
hoy izy manko anakampo: «Homeko ho vadiny i Mikàla hahazoako mamandrika azy, ary dia hamono hahafaty azy ny Filistinina.» (Fanindroany izao no nilazan’i Saoly tamin’i Davida ny hahavinantony azy)
22
Ary i Saoly nibaiko ireo minisitra tao aminy mba hiresaka mangina amin’i Davida hoe: «Mankasitraka tsara anao ny mpanjaka ary tia anao koa izahay minisitra. Koa ekeo re ankehitriny ny ho tonga vinanton’ny mpanjaka.»
23
Dia naverin’ireo minisitr’i Saoly tamin’i Davida izany teny izany. Fa hoy i Davida tamin’izy ireo: –Heverinareo fa zavatra kely moa izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Izaho anefa dia olo-mahantra tsy misy dikany.
24
Notantarain’ireo minisitr’i Saoly taminy izay teny navalin’i Davida azy ireo.
25
Ka hoy i Saoly hoe: –Izao indray àry no holazainareo aminy: «Ny mpanjaka dia tsy mila vodiondry aminao afa-tsy tsitsy zato avy amin’ny Filistinina, mba hamaliana faty ny fahavalon’ny mpanjaka.» Izany no noheverin’i Saoly fa hianjeran’i Davida eo an-tanan’ny Filistinina.
26
Dia nentin’ireo minisitra tany amin’i Davida izany teny izany, ka nankasitrahiny ihany ny ho vinanton’ny mpanjaka. Raha tsy mbola dila akory ny fetra nomen’ny mpanjaka,
27
dia efa lasa nanafika i Davida sy ny olony ka nahafaty Filistinina roanjato lahy. Nentin’i Davida ny tsitsin’izy ireo ka nasehony tsirairay an’i Saoly, mba hahatonga azy ho vinanton’ny mpanjaka. Dia neken’i Saoly ho vadin’i Mikàla zanany vavy i Davida.
28
Nazava tamin’i Saoly izao fa nomba an’i Davida ny TOMPO ary koa tia azy i Mikàla zanany vavy.
29
Koa nihamafy hatrany ny tahotr’i Saoly an’i Davida, hany ka loza ny fankahalany azy.
30
Tamin’izany fotoana izany dia nandeha nanafika ny Israelita ireo andriana filohan’ny Filistinina. Ary isaky ny misy fanafihana, dia mahery hatrany noho ireo miaramila manamboninahitr’i Saoly i Davida, hany ka tonga nanan-daza tokoa izy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31