bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 27
1 Samuel 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 28 →
1
Hoy i Davida anakampo: «Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina. Hatsahatr’i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin’i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.»
2
Koa lasa i Davida mbamin’ny eninjato lahy mpiara-dia aminy, nankany amin’i Akisy, zanakalahin’i Mahôka sady mpanjakan’i Gata.
3
Nitoetra tao amin’i Akisy tany Gata i Davida sy ny olony nombàm-pianakaviana avy, mbamin’ireo vadin’i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehela sy i Abigaîla vady navelan’i Nabala avy any Karmela.
4
Rehefa ren’i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, dia nijanona tsy nitady azy intsony izy.
5
Indray andro dia hoy i Davida tamin’i Akisy: –Raha tsara fo amiko tokoa ianao, dia aoka aho mba homena toerana iray amin’ny tanàna any ambanivohitra hipetrahako. Fa mpanomponao aho ka nahoana no dia hiara-mitoetra aminao ato amin’ny renivohi-panjakàna?
6
Iny andro iny ihany dia nomen’i Akisy azy ny tanànan’i Tsiklàga. Izany no nahatonga an’i Tsiklàga ho an’ny mpanjakan’i Joda mandraka androany.
7
Herintaona sy efa-bolana no nitoeran’i Davida tao amin’ny tanin’ny Filistinina.
8
Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesôrita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin’izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.
9
Nosimban’i Davida ny taniny, ka tsy nisy lehilahy sy vehivavy niangana na iray aza. Nobaboiny ny ondry aman’osy, ny omby mbamin’ny boriky sy ny rameva, ary ny fitafiana; dia niverina tany amin’i Akisy izy.
10
Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: «Taiza avy no nanafihanareo androany?», dia novaliany hoe: «Tany amin’ny faritra atsimon’i Joda» na «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Jerahimeelita» na koa «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Kenita ».
11
Tsy nasian’i Davida lehilahy na vehivavy iray velona hoentina any Gata, sao dia hisy hiampanga azy hoe: «Izao no nataon’i Davida.» Toy izany hatrany no fanaon’i Davida nandritra ny fotoana nitoerany tany amin’ny tanin’ny Filistinina.
12
Natoky an’i Davida i Akisy, satria nihevitra hoe: «Efa nanamaimbo tena tamin’ny Israelita mpiray firenena aminy izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.»
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31