bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 4
1 Samuel 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
1
Ary i Samoela nampita izany teny izany tamin’ny vahoaka Israely tsivakivolo. Indray andro dia nandeha niady tamin’ny Filistinina ny Israelita ka nitoby teo akaikin’i Ebena-Hezera; ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.
2
Dia nilahatra nanafika ny Israelita ny Filistinina ka nangotraka ny ady. Resy ny Israelita ary nahafatesana miaramila tokony ho efatra arivo tamin’izany ady izany.
3
Rehefa tafaverina tany amin’ny toby ireo sisa velona, dia hoy ny loholon ’i Israely hoe: –Nahoana no navelan’ny TOMPO ho resin’ny Filistinina isika androany? Andeha halaina any Silao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; fa rahefa mby eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika.
4
Dia naniraka olona nankany Silao ny vahoaka mba haka ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, dia ilay TOMPO mipetraka eo ambony kerobima. Nanaraka io Vatamasina io ny zanak’i Helỳ roa lahy, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa.
5
Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.
6
Rehefa nandre izany horakora-pifaliana izany ny Filistinina, dia nifanontany hoe: –Fa inona no dikan’izao horakoraka be ao an-tobin’ny Hebreo izao? Vao fantatry ny Filistinina fa tonga ao an-tobin’i Israely ny Vatamasin’ny TOMPO,
7
dia natahotra ireo, satria nifampilaza hoe: «Andriamanitra no tonga ao an-tobiny. Tsy mbola tao Izy talohan’izao; koa ankehitriny, hahita loza isika.
8
Eny, hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika tsy ho azon’io Andriamanitra mahery io, Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny loza maro samihafa tany an-taniefitra?
9
Mahereza, ry Filistinina, mbà tena lehilahy raha tsy tiantsika ny hoziogain’ny Hebreo tahaka izay nataontsika taminy fahiny; koa misehoa ho tena lehilahy tokoa isika ary miadia.»
10
Ary niady ny Filistinina, dia resy ny Israelita ka nandositra nody avokoa. Faharesena mavesatra tokoa izany satria miaramila israelita telo alina no maty,
11
ny Vatamasina lasan’ny Filistinina, ary izy mirahalahy zanak’i Helỳ, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa, samy maty avokoa.
12
Androtrio ihany dia nisy lehilahy iray avy tamin’ny fokon’i Benjamîna afa-nitsoaka ny toeram-piadiana ka nilomay hatrany Silao; ho marik’alahelo, dia notriariny ny fitafiany ary nohosorany vovoka ny lohany.
13
Tamin’ny fahatongavany dia efa nipetraka tamin’ny sezany teo amoron-dalana i Helỳ niandry sady nanahy mafy ny amin’ilay Vatamasin’Andriamanitra. Dia tonga nanambara ny vaovao tao an-tanàna ralehilahy, ka nikiakiaka nitomany ny iray tanàna.
14
Nony ren’i Helỳ ny kiakiakan’ny vahoaka, dia nanontany ny antonanton’izany izy; ary nanatona faingana an’i Helỳ ilay lehilahy sady nanambara taminy ny vaovao.
15
Efa valo amby sivifolo taona i Helỳ tamin’izay ary jamba tanteraka.
16
Hoy ilay lehilahy taminy: –Avy tany am-bava ady aho ary nitsoaka an-daharana vao androany izao. I Helỳ kosa nanontany azy hoe: –Fa inona no nitranga tany, anaka? Dia hoy ny navalin’ilay mpitondra hafatra:
17
–Vaky nandositra teo anatrehan’ny Filistinina ny Israelita. Fahavoazana lehibe no nianjady tamin’ny tafitsika; ary manampy trotraka izany, ny zanakao mirahalahy, i Hôfnỳ sy i Pinehasa, dia maty koa; ary ny Vatamasin’Andriamanitra lasan’ny Filistinina.
18
Vantany vao niteny ny momba ny Vatamasin’Andriamanitra ilay mpitondra hafatra, dia nianjera avy teo amin’ny sezany i Helỳ, ary nitrosina teo anilan’ny varavaran’ny Toeramasina; tapaka ny hatony ary dia maty izy, satria sady efa antitra no mavesatra. Efapolo taona no nitondrany ny vahoakan’i Israely.
19
Ary bevohòka be efa ho teraka ny vinanton’i Helỳ, dia ny vadin’i Pinehasa izany. Rehefa reny fa lasan’ny Filistinina ny Vatamasin’ny Tompo, sady maty ny rafozany sy ny vadiny, dia nitambonkina ny anao vavy ka teraka tsy satry vokatry ny fanaintainana nahazo azy.
20
Ary rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy ireo vehivavy izay nanampy azy teo hoe: –Aza matahotra fa zazalahy no naterakao. Nefa tsy namaly izy na niraharaha akory izay notenenina taminy.
21
Avy eo dia hoy izy hoe: –Nesorina tamin’i Israely ny voninahitr ’Andriamanitra, ka hataoko hoe Ikabôda no anaran’ny zaza! Io anarana io dia midika hoe «tsy misy voninahitra intsony» ka hahatsiahivana fa lasan-ko babo ny Vatamasin’Andriamanitra sady maty koa ny rafozan-dravehivavy sy ny vadiny.
22
Nambarany araka izany fa nesorina tamin’i Israely tokoa ny voninahitra satria efa lasan-ko babo ilay Vatamasin’Andriamanitra.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31