bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 9
1 Samuel 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
1
Tamin’izany fotoana izany, dia nisy lehilahy tsongoin’olom-bolo avy amin’ny fokon’i Benjamîna natao hoe Kisy. Izy dia zanakalahin’i Abièla sy zafikelin’i Tserôra ary zafiafin’i Bekôrata sy zafindohalik’i Afia.
2
Ary i Kisy nanan-janakalahy atao hoe Saoly izay tovolahy sady taviny no volony; tsy nisy teo amin’i Israely nihoatra azy tamin’ny hatsaran-tarehy, ary nanatombo halavana amin’ny olon-drehetra koa izy.
3
Indray andro dia very ireo borikivavin’i Kisy rain’i Saoly; dia hoy i Kisy tamin-janany: «Ento miaraka aminao ny mpanompo iray, ka mandehana ianareo mitady ireo borikivavy».
4
Nitety ny faritra be tendrombohitra any Efraîma aloha i Saoly sy ilay namany, avy eo ny faritanin’i Salisà, nefa tsy nahita na inona na inona; dia namakivaky ny faritanin’i Salima indray izy ireo, nefa tsy mbola nahita ihany.
5
Nony tonga teo amin’ny faritanin’i Tsofo izy ireo, dia hoy i Saoly tamin’ilay mpanompo nanaraka azy: –Andeha hitodi-doha hiverina isika, sao isika indray no mampanahy an’i Dada fa tsy ny borikivavy intsony.
6
Hoy kosa ilay mpanompo taminy: –Andraso fa misy izay lehilahin’Andriamanitra izay amin’irỳ tanàna irỳ; ary malaza tokoa izy, satria tsy misy tsy tanteraka izay rehetra ambarany. Koa aoka halehantsika any aminy izy, sao mba ho afaka hanoro antsika izay lalana mety hahitana ny borikivavy izy.
7
Dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: –Raha mankany àry isika, dia inona kosa no mba homentsika ilay mpaminany? Efa lany manko ny mofo nentintsika, ka tsy misy fanomezana azo atolotra azy; tsy manana na inona na inona intsony isika.
8
Fa hoy ny navalin’ilay mpanompo an’i Saoly hoe: –Mbola manana vola madinika kely izay aho atỳ amiko atỳ; homentsika azy izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony haleha.
9
Dia hoy i Saoly hoe: –Marina ny anao; andeha àry isika ho any. Ary lasa izy ireo nankany an-tanànan’ilay lehilahin’Andriamanitra. Teny an-dalana izy ireo dia sendra tovovavy nandeha hantsaka izay nanontaniany hoe: –Ao ihany ve ilay mpahita izay? (Fahiny teo amin’ny Israely dia fanaon’ny olona izay te hanontany mivantana an’Andriamanitra ny manao hoe: «Andeha isika ho any amin’ny mpahita.» Fa izay antsoina ankehitriny hoe «mpaminany» manko no nantsoina taloha hoe «mpahita.»)
12
Dia hoy no navalin’ireo tovovavy hoe: –Eny, ao izy, vao tonga talohanareo teo izy; koa faingàna ianareo, fa efa ao an-tanàna izy izao satria anio no andro fanateran’ny vahoaka sorona eo amin’ny toeram-panasinana.
13
Ho hitanareo izy raha vantany vao miditra ny tanàna ianareo, mialoha ny hiakarany hisakafo ao amin’ny toeram-panasinana. Tsy hisy olona hihinana alohan’ny ahatongavany, satria izy no tsy maintsy mitsodrano ny sorona; dia aorian’izay vao hihinana ireo olona nasaina. Koa miakara amin’izay ianareo, fa ho hitanareo anio izy.
14
Dia niakatra ny tanàna i Saoly sy ilay mpanompony; ary raha vantany vao tafiditra tao izy roa lahy, dia indro tafahaona tamin’i Samoela izay nivoaka indrindra ny tanàna hankeny amin’ilay toeram-panasinana.
15
Fa indray andro tsy hahatongavan-dry Saoly, dia efa nilaza tamin’i Samoela ny momba izao fihaonana izao ny Tompo hoe:
16
«Rahampitso, amin’ny ora toy izao, dia halefako ho atỳ aminao lehilahy iray avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hatokanao ho filohan’ilay Israely vahoakako izy mba hanafahany azy amin’ny fahefàn’ny Filistinina. Fa efa hitako ny fahorian’ny vahoakako ary efa reko ny antso vonjiny.»
17
Koa raha vao nahatazana an’i Saoly i Samoela, dia hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: «Io ilay lehilahy voalazako taminao, izy no hitondra ny vahoakako.»
18
Dia nanatona an’i Samoela teny am-bavahadin’ny tanàna i Saoly ka nanontany azy hoe: –Azafady, tompoko, mba atoroy ahy ny tranon’ilay mpahita.
19
Ary hoy ny navalin’i Samoela: –Izaho no izy. Koa dia mialohava ahy any amin’ny toeram-panasinana ianao, fa hiara-misakafo amiko ianareo anio; ary rahampitso maraina, rehefa voalazako avokoa izay tianao ho fantatra, dia halefako mody ianareo.
20
Ny amin’ireo borikivavy very hateloana, dia aza manahy intsony ianao, satria efa hita izy ireo. Ary iza moa ankehitriny no tena ilain’ny vahoaka israelita fa tsy ianao sy ny fianakavian-drainao ve?
21
Dia hoy i Saoly hoe: –Fa izaho ahoana? Izaho anie ka avy amin’i Benjamîna e, avy amin’ilay foko kely indrindra amin’ny fokon’ny Israely? Ary ny fianakavian-draiko moa ve tsy ilay fianakaviana vitsy indrindra amin’ny fokon’i Benjamîna? Koa ahoana no ilazanao zavatra toy izany amiko?
22
Avy teo dia notarihin’i Samoela hiditra tao amin’ny efitra fisakafoana i Saoly sy ny mpanompony ka napetrany teo amin’ny toeram-boninahitra niaraka tamin’ireo vahiny nasaina miisa telopolo eo ho eo.
23
Dia hoy i Samoela tamin’ny mpahandro: «Arosoy ilay didin-kena izay nomeko anao ka nasaiko hotehirizinao.»
24
Nalain’ilay mpahandro ny fen’ondry miaraka amin’ny hofany ka narosony teo anoloan’i Saoly. Dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: –Indro eo anatrehanao ny anjara voatokana ho anao amin’izao andro lehibe izao, ka mihinàna miaraka amin’ireto vahiny nasaiko ireto. Koa tamin’izay andro izay, dia niara-nihinana tamin’i Samoela i Saoly.
25
Avy eo izy ireo, dia nidina avy teo amin’ny toeram-panasinana ka nankany an-tanàna, ary nifampiresaka teo an-tampon-trano.
26
Nony ampitso dia nifoha maraina be i Saoly sy ny mpanompony. Rehefa nazava ratsy ny andro, dia niantso an’i Saoly avy teo an-tampon-trano i Samoela hoe: –Miomàna ianao fa hateriko antsasa-dalana. Dia nanaiky i Saoly, ary niara-nivoaka ny trano izy sy i Samoela.
27
Nony mby teo amin’ny faran’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: –Lazao ny mpanomponao hialoha antsika. Rehefa lasa lavitra ilay mpanompo, dia hoy indray i Samoela hoe: –Ary ianao kosa, mijanòna eto ankehitriny, fa tiako hampahafantarina ny tenin’Andriamanitra.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31