bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 23
1 Samuel 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
1
Indray andro dia nisy nampandre an’i Davida fa notafihin’ny Filistinina ny tanànan’i Kehilà ka norobainy izay teo am-pamoloana sy tany an-tsompitra.
2
Ary i Davida nanontany tamin’ny TOMPO hoe: –Handeha hiady amin’ireo Filistinina ireo ve aho? Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy; –Mandehana miady aminy ka vonjeo Kehilà.
3
Dia hoy ny olon’i Davida taminy: –Indreto atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka rehefa mankany Kehilà hiady amin’ny tafika filistinina?
4
Ary i Davida nanontany indray ny Tompo, ka novaliany hoe: –Mandehana mankany Kehilà, fa hatolotro ho eo an-tananao ny Filistinina.
5
Lasa nankany Kehilà i Davida sy ny olony ary notafihiny ny Filistinina. Nentiny an-kery ny biby fiompiny, ka faharesena tsy nisy toy izany no nahazo azy ireo. Izany no nanafahan’i Davida ny mponin’i Kehilà.
6
Raha nialokaloka eo amin’i Davida tany Kehilà i Abiatara zanakalahin’i Ahimelèka, dia nitondra ny efôda niaraka taminy.
7
Vao fantatr’i Saoly fa tafiditra tao Kehilà i Davida, dia hoy izy hoe: –Efa natolotr’Andriamanitra eto an-tanako izy, fa namandri-tena niditra an-tanàna mihidy vavahady.
8
Nohetsehin’i Saoly ny tafika manontolo hidina any Kehilà mba hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
9
Fantatr’i Davida fa nisaina hanao ratsy azy i Saoly; koa nasainy nentin’i Abiatara mpisorona ny efôda hanontaniana ny Tompo.
10
Dia hoy i Davida taminy: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ren’ny mpanomponao fa miomana hankatỳ Kehilà i Saoly handrava ny tanàna noho ny amiko.
11
Moa hanolotra ahy eo an-tanany ve ny manampahefana eto Kehilà? Ary ho avy amiko araka ny reko tokoa ve i Saoly? Mba valio re, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô! Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy: –Eny, ho avy tokoa izy.
12
Dia nanontany indray i Davida hoe: –Hanolotra ahy sy ny oloko eo an-tanan’i Saoly ve ireo manampahefana eto Kehilà? Ary novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, hanolotra anareo izy.
13
Dia niainga nandao an’i Kehilà i Davida sy ny olony miisa ho eninjato lahy, ary nandeha tamin’ny lalana anjoanjo. Rehefa ren’i Saoly fa nandositra niala tao Kehilà i Davida, dia najanony ny dia.
14
Nijanona tany an-taniefitra tao amin’ny toerana be harambato i Davida, ary nonina tany amin’ny havoan’ny taniefitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saoly, kanefa tsy navelan’Andriamanitra hatolotra eo an-tanany i Davida.
15
Hitan’i Davida fa niainga hiantafika mba hifofo ny ainy i Saoly, ka dia nijanona tao Hôresa tany an-taniefitr’i Zifa izy.
16
Ary i Jônatàna zanakalahin’i Saoly nankany amin’i Davida any Hôresa ka nankahery azy tamin’ny anaran’Andriamanitra.
17
Hoy izy tamin’i Davida: –Aza matahotra fa tsy hahazo anao akory ny tanan’i Saoly raiko. Ianao no ho mpanjakan’i Israely fa izaho kosa ho lefitrao; ary na i Saoly raiko aza dia mahalala tsara izany!
18
Ary nanao dinam-pisakaizana teo anatrehan’ny TOMPO izy roa lahy. Dia nijanona tany Hôresa ihany i Davida fa i Jônatàna kosa niverina nody.
19
Nankany amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao fa i Davida anie ka miafina any aminay ao amin’ny toerana be harambato any Hôresa, any amin’ny havoanan’i Hakilà eo atsimon’ny faritra be lobolobo?
20
Koa raha te hanampoka azy ianao, ry mpanjaka, dia midina any, fa anjaranay ny manolotra azy eo an-tananao.
21
Dia hoy i Saoly hoe: – Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao fiahianareo ahy izao!
22
Koa mandehana indray ianareo, dia alaivo antoka sy fantaro tsara izay toerana marina misy azy sy izay nahita azy tany, fa tena fetsy lahy hono izy izany.
23
Ataovy fantatra avokoa izay toerana rehetra mety iafenany, dia miverena atỳ amiko rehefa tena azonareo antoka, fa hiaraka aminareo aho. Raha mbola eto amin’ny faritany koa iny, dia hosavako avokoa ny isam-pianakaviamben’i Joda mba hahitako azy.
24
Dia lasa nankany Zifa nialoha an’i Saoly izy ireo, fa i Davida sy ny olony kosa dia tao amin’ny taniefitr’i Mahôna, amin’ny lemaka eo atsimon’ny faritra be lobolobo.
25
Niainga i Saoly sy ny miaramilany hitady an’i Davida. Raha nandre izany i Davida, dia nitsontsorika nidina ny harambato ka nijanona tao amin’ny taniefitr’i Mahôna. Rehefa fantatr’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida hatrany koa izy.
26
Tamin’ny lafiny ilan’ny tendrombohitra no nandehanan’i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa nandroso tamin’ny lafiny iray hafa. Nohafainganin’i Davida ny diany mba tsy hahazoan’i Saoly azy, satria ny mpanjaka sy ny olony efa manodidina vonon-kisambotra an’i Davida sy ny namany.
27
Fa nisy iraka iray tonga nilaza tamin’i Saoly hoe: –Faingàna ianao fa manafika ny tanin’i Israely ny Filistinina.
28
Dia natsahatr’i Saoly ny fanenjehana an’i Davida, fa lasa izy niady tamin’ny Filistinina. Izany no niantsoana io toerana io hoe: «Vatolampin’ny Fisarahana».
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31