bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 10
1 Samuel 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
1
Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe: –Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany.
2
Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin’ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin’ny fasan’i Rahely ao Tselitsà amin’ny faritanin’i Benjamîna; ary izy ireo hiteny aminao hoe: «Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin’izay tokony hataony hahitany an-janany izy.»
3
Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay.
4
Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa izay horaisinao amim-panajana.
5
Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.
6
Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.
7
Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety.
8
Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.
9
Raha vao nihodina i Saoly ka dify an’i Samoela, dia novan’Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan’i Samoela.
10
Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin’izy ireo.
11
Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin’izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin’ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin’i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly?»
12
Dia hoy koa ny iray tamin’izy ireo: «Fa mba iza no rain’ireto mpaminany hafa ireto?» Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: «Mba tonga anisan’ny mpaminany koa ve i Saoly?»
13
Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin’ny toeram-panasinana.
14
Ary hoy ny rahalahin-drainy taminy: –Fa taiza ianao sy ny mpanomponao? Dia hoy ny navaliny hoe: –Nitady ny borikivavy izahay, nefa tsy nahita, ka dia nankany amin’i Samoela.
15
Ary hoy ilay dadatoany hoe: –Tantarao amiko àry izay nambaran’i Samoela anareo.
16
Ka hoy i Saoly taminy: –Nambarany taminay fotsiny fa efa hita indray ireo borikivavy.
17
Nampiantso ny vahoaka israelita hankeo anatrehan’ny TOMPO any Mitsepà i Samoela,
18
ka nanao tamin’izy ireo hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nampiakatra anareo Israelita hiala avy tany Ejipta; Izaho no namonjy anareo tamin’ny vahoakan’ny Ejiptianina sy ny fanjakana rehetra izay namoritra anareo.»
19
Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nandà ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin’ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: «Omeo mpanjaka izahay!» Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan’ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.
20
Nasain’i Samoela nandroso tsirairay ny fokon’i Israely, ka ny fokon’i Benjamîna no voatendrin’ny antsapaka.
21
Dia nampanatoniny isam-pianakaviana ny fokon’i Benjamîna, ka ny fianakavian’i Matrỳ no voatendrin’ny antsapaka. Ary farany, tamin’io fianakaviana io dia i Saoly zanakalahin’i Kisy no voatendrin’ny antsapaka. Rehefa izany, dia nitady azy ny olona nefa tsy nahita azy mihitsy.
22
Dia nanontanian’ny olona indray ny TOMPO hoe: –Mba efa tonga teto ve iny lehilahy iny? Ka novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, andeha jereo ao amin’ny entana fa ao izy no miafina.
23
Dia nilomay naka azy tao ny olona, ary niseho tamin’izay izy sady nitsangana teo afovoan’ny vahoaka, ka nanatombo halavana amin’ny olon-drehetra.
24
Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka rehetra: –Indro ilay nofidin’ny TOMPO; jereo fa tsy misy tahaka azy amin’ny vahoaka rehetra. Dia nihoby azy ny olon-drehetra, ka nihiaka mafy hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
25
Ary nohazavain’i Samoela tamin’ny vahoaka ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka, ary nosoratany tamina boky izany ka napetrany teo anatrehan’ny TOMPO tao amin’ny Toeramasina. Farany dia nasain’i Samoela nody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra.
26
I Saoly koa mba nody tany aminy any Gibehà, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy izay nentanin’Andriamanitra ho mpomba azy.
27
Fa nisy kosa ireo olona ratsy fanahy izay nanao hoe: «Ahoana tsara? Io ve no mba hamonjy antsika?» Notebahin’ireo i Saoly ary tsy nitondrany fanomezana. Nefa tsy noraharahain’i Saoly akory izany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31