bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 29
1 Samuel 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
1
Namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, raha nitoby akaikin’ny loharano iray tao Jizrehèla kosa ny Israelita.
2
Nilahatra teo alohan’ny andian-tafiny ireo filohan’ny Filistinina; fa i Davida sy ireo olony kosa dia tatỳ aoriana no nilahatra niaraka tamin’i Akisy.
3
Dia hoy ireo filohan’ny Filistinina: –Inona no ataon’ireo Hebreo ireo eto? Ka hoy i Akisy namaly ireo filohan’ny Filistinina: –I Davida mpanompon’i Saoly mpanjakan’i Israely io, saingy efa niaraka tamiko aman-taonany izy izao. Ary tsy mbola hitako izay tsininy hatramin’izay nialany tany ka nifindrany tatỳ izay.
4
Tezitra tamin’i Akisy ireo filohan’ny Filistinina ka nanao taminy hoe: –Roahy any io lehilahy io hiverina any amin’ny tanàna izay efa nomenao hitoerany. Aza avela hidina hiara-kiady amintsika izy, fandrao dia isika indray no hifoterany rehefa miady. Fa inona moa no hahazoany sitraka amin’i Saoly tompony, raha tsy ny fanolorany azy ny lohan’ireo olontsika?
5
Moa tsy io Davida io ve ilay nihirana sy nandihizana hoe: «I Saoly nahafaty an’arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty an’alinalina.»
6
Dia niantso an’i Davida i Akisy ary nanao taminy hoe: –Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa olona mahatoky ianao; tiako ny hiarahanao amiko amin’izao ady izao, satria tsy mbola hitako izay tsininao hatramin’izay nahatongavanao teto amiko izay. Kanefa tsy mahazoazo anao ireo filohan’ny Filistinina ireo.
7
Koa mandehana miverina mody am-piadanana mba tsy hanaovanao izay tsy mahafaly ireo filohan’ny Filistinina.
8
Hoy kosa i Davida tamin’i Akisy: –Fa inona no nataoko, ry mpanjaka tompoko, ary inona no tsiny hitanao tamiko mpanomponao hatramin’izay nipetrahako tatỳ aminao ka mandraka androany izay, no tsy mahazo mandeha miady amin’ny fahavalonao aho?
9
Dia hoy i Akisy namaly an’i Davida: –Tsy misy. Fa mahafinaritra ahy tahaka ny anjeli n’Andriamanitra ianao. Saingy ireo filohan’ny Filistinina no nanao hoe: «Aoka izy tsy hiaraka hiady amintsika!»
10
Koa mifohaza maraina be ianao sy ireo mpanompo izay niara-dia taminao; samia mifoha maraina ianareo, ary mandehana rehefa mazava ny andro.
11
Dia nifoha maraina be i Davida sy ny olony ny ampitso mba hiverina any amin’ny tanin’ny Filistinina. Ary ny Filistinina kosa niakatra any Jizrehèla.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31