bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 5
1 Samuel 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
1
Azon’ny Filistinina àry ny Vatamasin’Andriamanitra ka nentiny nankany Asdôda avy tao Ebena-Hezera.
2
Dia nalainy ny Vatamasina ka nampidiriny tao amin’ny tempolin’i Dagôna andriamaniny ary napetrany teo anilan’ny sarivongan’i Dagôna.
3
Ny ampitso, rehefa nifoha ny mponin’i Asdôda, dia nahita ny sarivongan’i Dagôna nidaboka nihohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO; natsangan’izy ireo izy ka napetrany indray tamin’ny toerany.
4
Ny ampitso maraina manaraka dia hitan’ny olona fa mbola nidaboka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.
5
–Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagôna sy izay rehetra miditra ao amin’ny tempoliny, ao Asdôda, ny tokonam-baravaran’i Dagôna mandraka androany.
6
Tsy zakan’ny mponin’i Asdôda ny famaizana nafitsoky ny herin’ny TOMPO, fa sady nampitondra faisana azy izany no nahavoan-kitso azy mbamin’ireo mponina manodidina.
7
Rehefa nahita ny nahazo azy ny mponin’i Asdôda, dia nanambara hoe: –Aoka tsy hitoetra eto amintsika ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely, fa ny nafitsoky ny heriny efa nampitondra ny mafy antsika sy an’i Dagôna andriamanitsika!
8
Dia nampiantso ireo andriana dimy filohan’ny Filistinina izy ireo mba hivory any aminy ka nanontany azy hoe: –Hataonay ahoana ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely? Dia hoy ireo filoha taminy: –Aoka hafindra hankany Gata izany! Dia nafindra nankany Gata ilay Vatamasina;
9
nefa vantany vao tonga tany izany, dia namely ny mponina tao an-tanàna ny herin’ny TOMPO ka nahatonga hotakotaka goavana. Nasian’ny Tompo izy rehetra ka voan’ny kitso avokoa, nanomboka tamin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
10
Dia nalefany nankany Hekrôna ny Vatamasin’Andriamanitra; nefa nony tonga tany izany, dia niantsoantso mafy ny mponin’i Hekrôna hoe: –Nafindra atỳ aminay mba hahafaty anay mianakavy ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely.
11
Mba nampiantsoan’izy ireo koa ireo andriana filohan’ny Filistinina ka nilazany hoe: –Avereno any amin’izay toerana nisy azy any ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely sao dia hahafaty anay rehetra. Fa hotakotaka mahatsiravina no tao an-tanàna satria mafy dia mafy koa no nafitsoky ny herin’ny Tompo tao;
12
ka izay tsy maty dia voan’ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31