bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Samuel 3
1 Samuel 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
1
Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan’i Helỳ. Tamin’izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan’ny TOMPO mivantana tamin’olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.
2
Indray alina dia natory teo amin’ny toerana nahazatra azy i Helỳ izay efa akaiky ho jamba.
3
I Samoela koa mba natory tao an-tranon’ny TOMPO, tao amin’izay nisy ny Vatamasina. Nony hadiva haraina ny andro, raha mbola nirehitra ny jiro tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO,
4
dia niantso an’i Samoela ny TOMPO, ary izy namaly hoe: «Inty aho, tompoko»;
5
avy teo dia nihazakazaka nankany amin’i Helỳ i Samoela ka nanao taminy hoe: –Niantso ahy ianao, koa intỳ aho! Fa hoy i Helỳ hoe: –Tsy niantso anao aho, fa ’ndeha miverina matory. Dia lasa niverina natory i Samoela.
6
Niantso azy fanindroany ny TOMPO hoe: «Ry Samoela!» Dia nitsangana i Samoela ka nankany amin’i Helỳ ary niteny taminy hoe: –Niantso ahy ianao, koa intỳ aho! –Tsy niantso anao aho, anaka, fa miverena matory.
7
Ary i Samoela tsy mbola nahalala ny TOMPO, satria tsy mbola nitenenany mivantana.
8
Niantso fanintelony an’i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin’i Helỳ ka nanao taminy hoe: –Niantso ahy ianao, koa intỳ aho! Izay vao fantatr’i Helỳ fa ny TOMPO no niantso ny zaza.
9
Ary hoy izy taminy: –’Ndeha miverina matory; fa raha toa mbola misy miantso anao, dia valio hoe: «Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao!» Dia lasa natory teo amin’ny fatoriany indray i Samoela.
10
Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: «Ry Samoela, ry Samoela!» Dia hoy izy namaly: –Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.
11
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Indro hanao zavatra amin’i Israely Aho, dia zavatra hampangirintsina ny sofin’izay rehetra mandre azy.
12
Hampihariko amin’i Helỳ sy ny taranany amin’izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izany.
13
Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany.
14
Koa izany no nianianako tamin’ny fianakavian’i Helỳ fa tsy misy sorona na fanatitra hahafa-pahotana azy.
15
Dia nandry mandra-maraina i Samoela; ary novohany avy eo ireo varavaran’ny tranon’ny TOMPO, nefa dia natahotra ny hilaza amin’i Helỳ ny fahitàny i Samoela;
16
kanjo niantso azy i Helỳ ary nanao taminy hoe: –Samoela zanako ô! Dia hoy i Samoela namaly: –Ahoana izay, tompoko? Ary i Helỳ nanontany hoe:
17
–Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin’izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!
18
Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!
19
Ary nihalehibe i Samoela sady nomba azy ny TOMPO; ka tsy nisy tsy tanteraka izay teny rehetra nasainy nambaran’i Samoela.
20
Izany no nahafantaran’i Israely manontolo, manomboka any Dana ka mipaka any Beera-Seba, fa mpaminanin ’ny TOMPO i Samoela.
21
Dia mbola niseho hatrany ny TOMPO tao Silao; satria tao no fisehoan’ny TOMPO mivantana tamin’i Samoela mba hampahafantatra azy ny teniny.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31