bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 1
John 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 2 →
1
Tamin’ny voalohany ny Teny ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra; ary ny Teny dia Andriamanitra.
2
Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.
3
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza.
4
Tao Aminy ny fiainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5
Ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina, fa ny maizina dia tsy nandray azy.
6
Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany.
7
Tonga mba ho vavolombelona hanambara ny mazava izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
8
Tsy izy anefa no Ilay mazava, fa tonga mba ho vavolombelona hanambara ny mazava ihany izy.
9
Ny Teny no tena mazava izay mahazava ny olona rehetra; tonga eto amin’izao tontolo izao Izy.
10
Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy.
11
Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy dia tsy nandray Azy;
12
fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
13
dia ireo izay tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na ny sitrapon’ny olona fa naterak’Andriamanitra.
14
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina teto amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
15
Vavolombelona nanambara Azy i Jaona ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aorianako dia efa tonga eo alohako satria talohako Izy.
16
Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana miampy fahasoavana;
17
fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
18
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka Lahitokana, izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy.
19
Izao no fanambaràna nataon’i Jaona, raha naniraka mpisorona sy levita avy tany Jerosalema hankany aminy ny Jiosy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20
Ary nilaza marina izy fa tsy nandà, ary hoy ny filazany: Tsy izaho no Kristy.
21
Ary nanontany azy izy ireo hoe: Ahoana ary? I Elia va ianao? Dia hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa hoy izy hoe: Tsia.
22
Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay? Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23
Dia hoy izy: «Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’NY TOMPO» (Isa 40.3), araka izay nolazain’Isaia mpaminany.
24
Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo.
25
Dia nanontany an’i Jaona indray ireo hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy na i Elia na ilay Mpaminany?
26
Namaly azy ireo i Jaona hoe: Izaho dia manao batisa amin’ny rano; fa eto aminareo misy Iray izay tsy fantatrareo,
27
dia ilay avy ao aorianako, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho.
28
Izany zavatra izany dia tany Betania any andafin’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa.
29
Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy i Jaona ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!
30
Izy ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy tonga avy ao aorianako izay efa tonga eo alohako satria talohako Izy.
31
Ary tsy nahalala Azy aho; fa mba hanehoana Azy amin’ny Israely dia izany no niaviako manao batisa amin’ny rano.
32
Ary i Jaona no vavolombelona nanambara hoe: Izaho dia nahita ny Fanahy nidina avy tany an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.
33
Ary tsy nahalala Azy aho; fa izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.
34
Ary nahita aho ka mijoro ho vavolombelona fa Izy no Zanak’Andriamanitra.
35
Nony ampitson’iny i Jaona dia mbola teo ihany niaraka tamin’ny mpianany roa lahy;
36
ary nahita an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka niteny hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!
37
Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy.
38
Nony nitodika Jesosy ka nahita azy ireo manaraka, dia niteny taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy Taminy: Raby, izany hoe, Mpampianatra ô, aiza Ianao no mitoetra?
39
Dia hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo Aminy tamin’izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’izay.
40
I Andrea, rahalahin’i Simona Petera, no iray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy.
41
Ary izy no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia, izany hoe ny Kristy, izahay.
42
Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Nony nibanjina azy Jesosy dia niteny hoe: Ianao no Simona, zanak’i Jaona; ianao dia hantsoina koa hoe Kefasy, izany hoe Petera.
43
Nony ampitso dia te hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’i Filipo Izy ka niteny taminy hoe: Manaraha Ahy.
44
Ary i Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’i Andrea sy i Petera.
45
I Filipo kosa raha nahita an’i Natanaela dia niteny taminy hoe: Efa hitanay ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny Lalàna sady nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta.
46
Ary hoy i Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa toy izany va avy any Nazareta? Dia hoy i Filipo taminy: Andeha hizaha.
47
Nony nahita an’i Natanaela nanatona Azy Jesosy dia nilaza ny momba azy hoe: Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka.
48
Hoy i Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly azy Jesosy hoe: Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao dia efa hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.
49
Dia hoy i Natanaela: Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’ny Israely.
50
Hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
51
Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’Olona.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21