bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 7
John 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 8 →
1
Taorianan’izay dia nitety tany Galilia Jesosy; fa tsy te hitety an’i Jodia Izy satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
2
Efa akaiky moa ny andro firavoravoan’ny Jiosy, dia ny fetin’ny Trano rantsan-kazo,
3
koa hoy ny rahalahiny Taminy: Mialà eto Ianao ka mandehana ho any Jodia mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
4
fa tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany dia mitady ho hita miharihary; raha manao izao zavatra izao Ianao dia misehoa amin’izao tontolo izao.
5
Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
6
Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoanandroko; fa ny fotoananareo dia vonona lalandava.
7
Tsy afaka mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany satria Izaho milaza fa ratsy ny asany.
8
Miakara any amin’ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola hiakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity satria tsy mbola tonga ny fotoanandroko.
9
Rehefa avy nilaza ireo teny ireo taminy Izy dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
10
Rehefa lasa niakatra ho amin’ny andro firavoravoana ny rahalahiny dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho fa toa niafinafina.
11
Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ny andro firavoravoana ka niteny hoe: Aiza Izy?
12
Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany: Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
13
Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
14
Rehefa nisasaka ny andro firavoravoana dia niakatra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
15
Gaga ny Jiosy ka niteny hoe: Ahoana no nahaizan’Ilehity ny Soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
16
Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Tsy Ahy ny fampianarako fa an’Izay naniraka Ahy.
17
Raha misy olona ta hanao ny sitrapony dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany na miteny amin’ny fahefan’ny tenako Aho.
18
Izay miteny amin’ny fahefan’ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.
19
Tsy i Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? Nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
20
Ary hoy ny vahoaka hoe: Manana demonia Ianao; iza no mitady hamono Anao?
21
Dia novalin’i Jesosy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, dia gaga avokoa ianareo rehetra.
22
Izao no nanomezan’i Mosesy anareo ny famorana: Tsy noho izy avy tamin’i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ny razana, koa na amin’ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
23
Raha amin’ny Sabata aza no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy dia ho tezitra Amiko va ianareo satria nisy olona iray nositraniko ny tenany manontolo tamin’ny Sabata.
24
Aza mitsara araka ny miseho fa mba mitsarà marina.
25
Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia niteny hoe: Tsy Ilehity va ilay tadiaviny hovonoina?
26
Ary indro Izy izao miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Efa fantatry ny mpitondra tokoa va fa io no Kristy?
27
Fantatsika izao anefa ny niavian’Ilehio, fa raha avy Kristy dia tsy misy mahalala izay hiaviany.
28
Raha nampianatra tao amin’ny tempoly Jesosy dia niantso hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay niaviako; ary tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa marina ny naniraka Ahy, izay tsy fantatrareo.
29
Izaho mahalala Azy; fa Izy no niaviako, koa Izy no naniraka Ahy.
30
Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy nahakasi-tanana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony.
31
Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka niteny hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ity Lehilahy ity va Izy?
32
Ary nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny Aminy ny Fariseo ka naniraka mpiambina hisambotra Azy, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo.
33
Dia hoy Jesosy: Kely foana no mbola itoerako aminareo dia hankany amin’izay naniraka Ahy Aho.
34
Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo aleha.
35
Dia nifampiresaka ny Jiosy hoe: Aiza moa no halehan’Ilehity no tsy ho hitantsika? Hankany amin’izay miely any amin’ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
36
Ahoana moa izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo nefa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy ho azonareo aleha?
37
Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
38
Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
39
Ny Fanahy, izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny.
40
Ary ny sasany tamin’ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nilaza hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany.
41
Hoy koa ny sasany: Ity no Kristy. Ary hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no iavian’i Kristy?
42
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’i Davida (Mik 5.1)?
43
Dia nisara-tsaina ny amin’i Jesosy ny vahoaka.
44
Ary nitady hisambotra Azy ny sasany; kanefa tsy nisy nahakasi-tanana Azy.
45
Ary niverina nankeo amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ireo mpiambina ka nanontaniany hoe: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
46
Dia namaly ireo mpiambina hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
47
Ary hoy ny Fariseo tamin’izy ireo hoe: Voafitaka koa va ianareo?
48
Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
49
Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
50
Ary i Nikodemosy izay iray tamin’ireo mpanapaka, ilay efa niresaka tamin’i Jesosy teo aloha, dia niteny tamin’ireo hoe:
51
Moa manameloka olona va ny lalànantsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
52
Fa hoy izy ireo taminy: Ianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
53
Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21